airtel

kolontsaina

14-sept-2021

kolontsaina

Taom-baovao lohataona 2021 Tontosa tany Boeny ny andiany fahaefatra

Sample post image

Ny Faritra Boeny no nandray ny fankalazana ny “taom-baovao lohataona 2021” ny 10-12 septambra lasa teo.

14-sept-2021

Tsiahivina fa ny taona 2020 no efa tokony ho nandray ny fankalazana ny faritra Boeny saingy tsy tanteraka noho ny hamehana ara-pahasalamana. Nandray an-tànana ny fifanampiana hanatontosana ny hetsika tamin'ity taona ity eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Ministeran'ny kolontsaina ary ny governoram-paritra boeny. Notronin'ireo olom-boafidy isan-tsokajiny ao anatin’ny Foko Sakalava. Vahiny maro manerana ny nosy no noraisin’ny foko Sakalava, izay nampijoro ny Filongoaben'ny Sakalava eto Madagasikara na ny FIBESAMA. Izy no renivohitra faha-4 nandray ny fankalazana hatramin'ny fanapahan'ny Raiamandreny ara-drazana io daty iraisana io, niantomboka ny 2017. Lanonana ara-drazana sy ara-kolontsaina nantomboka tamin'ny Vovonamben'ny Raiamandreeny ara-drazana ny 10 septambra, fitsidihana ny faritra masina any an-toerana ny andrtr'io ihany. Firantiana an-dalambe tamin'ny fitafy sy fiketsika mampiavaka ny foko tsirairay avy kosa ny 11 septambra, narahin’ny fitokanana ny tsangambaton'ny firaisam-pirenena izay naseho endrika tamin'ny "Zomba vinda". Namoaka tsoa-kevitra 4 ny Vovonamben’ny Raiamandreny ara-drazana, izay mitsinjara toy izao: Lany amin'ny salan'isa 77% tamin’ny fakan-kevitry ny Minisiteran’ny kolontsaina ny hametrahana ny andro hankalazana ny taom-baovao iraisan'ny Malagasy Lohataona, ka mangataka ny hanaovana izany ho andro tsy fiasana kanefa andraisan-karama; Mitaky ny hanomezan-danja ny soatoavina sy ny maha-Malagasy ao anatin'ny lalàmpanorenana mba hitantanana ny tany sy ny fanjakana (fanitsiana ny lalàmpanorenana hananganana Antenimieran'ny Raiamandreny ara-drazana; Tafapetraka ny Vovonamben'ny Raiamandreny ara-drazana ary hohatevenina amin'ny fandraisana ireo loham-poko sy to-teny avy amin'ny foko mbola tsy nahapetraka ny solontenany ny filan-kevitra, ka ny komity mpikarakara ny taom-baovao iraisan'ny Malagasy eto an-drenivohitra no hitantana vonjimaika ny Vovonamben'ny ray aman-dreny ara-drazana; Tapaka fa ny renivohitr'Antsiranana no handray ny taom-baovao iraisan'ny Malagasy andiany fahadimy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap