Afaka 14 andro izany no ho avy, raha ny fanatsidihana natao. Ny tena hita ho nifandrirotra hatramin’izay dia ireo mankalaza ny isaky ny fiandohana na fisasahan’ny volana martsa eo na fararano sy ny mpankalaza ilay isaky ny lohataona aty amin’ny volana septambra aty na ilay misy miantso koa hoe Volambita. Tsy lazaina intsony ny mbola fankalazana ny antsoina hoe «Fandroana» teto Imerina, izay mbola misy mankalaza hatramin’izao. Toy izany koa ireo fankalazana isam-paritra izay samy manana ny anarana fiantsony azy avokoa ary samy manana ny fotoana hankalazana azy. Lasa resaka mahatsikaiky izy ity ary mampametra-panontaniana hoe mbola kolontsaina sy fampianarana fomba ve no tena tanjona ao anatin’ilay izy sa fandisoana tantara sy fanimbana izay kolontsaina sy fomba maneho ny maha izy ity firenena ity izay ?
J. Mirija
Voalohany, ny hevitra no amaharana fanao fototra. Tsy azon’Ny Mpanolo-tsaina heverina izany hoe fifidianana