airtel

kolontsaina

25-janv-2023

kolontsaina

Taorian’ny gidragidra Voafidy ihany ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA

Sample post image

Taorian'ny gidragidra, narahina fandaminana naharitra ora maro, niditra tamin'ny fifidianana ny mpikambana eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny OMDA (Ofisim-pirenena momba ny zon’ny mpamorona) ihany ireo artista.

25-janv-2023

Ny sokajy mozika no nanombohana azy. Artista 7 no nirotsaka ho fidiana ho an'ny sokajy mozika: Tonton Pa, Zoky vonjy, Rija Oelijaona, Jaojoby, Meizah, Ejema ary Mamibe. Efa diva ho hariva vao vita ny fifidianana tetsy Mahamasina, ka voafidy ho mpikamban’ny filankevi-pitantanana ho an’ny sokajy mpihira na mozika I Tonton Pa, Jaojoby, Zoky Vonjy, Meizah. I Jaojaoby izany no tao anatin’ny rafitra teo aloha tafaverina. Razanajatovo H Hobiana na i Hobiana kosa no voafidy ho an’ny sokajy “littéraire”; Razafindrakoto Martial na i Martial ny sokajy “Audiovisuel”; Randriamanatena Arsène na i Arikaomisa Randria kosa ho an’ny sokajy Dramatique. Na nandeha aza ny fifidianana, nasiaka ny fanehoan-kevitry ny artista Rossy, izay naneho fa ny artista mikatona loha malemy mangataka fanazavàna alohan n'y fifidianana. Raha ny tokony ho izy, hoy izy, ny mpitarika ny fivoriana dia ny Filohan’ny Filankevi-pitantana teo aloha (sortant). Tatitra afaka nanazava ny zavatra rehetra sy niaro ny zava-bitany, ka i Francis turbo no tokony ho nitarika. Afaka nanazava amin’ireo izay izay vao nivory ry Samoela ry Jaojaoby sy ny Filankevi-pitantanana, saingy tonga dia ny mpanatanteraka izay tokony ho mpanomana fotsiny ihany no nivatravatra, ary efa nahazo toromarika tamin’ny mpampiasa, hoy hatrany I Rossy. “Mananatra farany ny mpiazona “compte fake”-n’ i Lalatiana Aho. Ajanony ny fiampangana ny artista sangany ho nangalatra very fihinanana nanodinkodim-bola fa raha izahay no mivoy ampamoaka eto be ny ho sahirana an ?”, hoy hatrany I Rossy. Hilamina eo ve ny raharaha fifidianana OMDA sa hanao ahoana? Inona no ho tohin’ilay volavolan-dalàna efa lany teo anivon’ny Antenimierampirenena manala ny OMDA tsy ho eo ambany fahefan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina?
Toky R
 

Dans la même rubrique