ny fampisehoana goavambe hotanterahin'ny tarika Rossy. Ny datin'ny 22 Aogositra ho avy izao no hanatontosany izany etsy amin'ny lapan' ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ao anatin'ilay loha-teny hoe : "Tapolaka Glaðy" Timeless. Amin'ny alalan'ny QR Code no hividianana ny tapakila izany hoe : tsy azo hanaovana hosoka fa hatao scane eo am-pidirana eo am-bavahady. Tsy azo zaraina amin'olon-kafa noho izany ny QR Code-n'ny mpividy tapakila iray izay hita amin'ny tapakila elektronika. Raha lasan'olona hafa ny QR Code-n'ny mpividy tapakila iray noho izany ka izy no mampiasa azy voalohany, dia izy no tafiditra ao amin'ilay fampisehoana. Tanjona ny hanafoanana ireo mpijery fampisehoana zatra mandeha baojo. Toraka izany koa ireo mampiasa hosoka lalandava, araka ny fanazavana azo. Ny Cool Concept Events sy ny Soma Prod moa no miketrika ity hetsika goavana ity. Efa azo jifaina ao amin'ny www.tapakila.mg araka izany io tapakila eletronika io.
Pati
Légende : Rossy vonona hanome fahafaham-po ireo mpankafy !