Avereno amin’ny endriny taloha ny rova!»
Averina hatrany, hoy ny solontenan’ireo taranaky ny Mpanjaka Ratrimo, izay nanjaka tao amin’ny Rovan’Ambohidratrimo Marovatana, fa voaota fady io rova io. Lasa doany fanompoan-tsampy izy ao, hoy ny solontenan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. 50 taona lasa izahay nilalao foana tao, hoy izy, tsy misy hoe manala kiraro miditra ny tokontanin’ny rova. Izao hoe lasa tsy maintsy manala kiraro. Miditra ny trano manara vao tsy tokony hanao kiraro. Lasa misy sarisary fanompoan-tsampy be dia be ao izao. Na ny vato fikabarian’ny mpanjaka aza lasa misy saina Miozolimanina sy kisarisary izoterika ejipsianina. Misy fikambanana hoe Dimbin’ny Bemihisatra, izay tsy hay hoe avy aiza no nipoirany, no miseho ho tompony sy mikarakara io rova novàny ho doany nolokolokony menamena sy lasa misy fanompoan-tsampy io. Lalàna sy fahefàna avy aiza moa no nahafahan’izy ireo nanao izany? Ivon’Imerina i Ambohidratrimo. Renivohitr’Antananarivo na Merina eni-toko mihitsy raha ny tantara no jerena. Mila fanadiovana io rova io mialohan’ny hanarenana azy noho izy voaota fady efa nisy 20 taona tany mihitsy. Lasa hanasinana ny toerana misy ny trano manara. Ravao ny fanompoan-tsampy! Avereno amin’ny endriny taloha ny rova! Tsy fanokatra andro talata io rova io! Izahay taranaka, tompon-trano, aloha no tokony hisahana ny fikarakaràna ny fanarenana ny toerana! Avereno anaty tamboho ny vato masina fikabarian’Andrianampoinimerina sy Ikotomaditra! Avereno amin’ny taranak’Ambohidratrimo ny fitantanana ny rova! Tsy manaiky ny rova avadika ho doany fanompoan-tsampy izahay taranaka fa tsy maintsy averina ny hasin’ny Rovan’Ambohidratrimo! Tsy mety angamba hoe tranonao izao dia olona aty ivelany no hikarakara azy. Miantso ny fitondràm-panjakàna mba hanidy ny rova aloha mandra-pahavitan’ny fanarenana azy. Tokony mbola anaty fanadihadiana taorian’ny fahamaizan’io rova io koa tsinona izao ny zandary. Milalao lavenona amin’ny fanompoan-tsampiny ao izao ireo mpanompo sampy mibahana an’io rova io ao satria nety taminy mihitsy angamba ilay fahamaizan’ny rova mba hahafahany milalao izay lavenona izay. Nihantsy anay mihitsy ny sasany hoe raha sahy dia raiso ity lavenona ity, hoy hatrany ireto taranaka ireto!
J. Mirija