airtel

kolontsaina

29-avril-2025

Tarika Exo

Hametraka ny fanjakan'Andriamanitra eto Madagasikara

Sample post image

Tonga eto Madagasikara indray i Chris sy Laura CHRISTENSEN, mpamorona ny tarika Exo.

29-avril-2025

Fampisehoana roa no hataon'izy ireo eto Antananarivo ary hisy ihany koa any Toamasina. Ny voalohan’ny volana Mey amin'ny telo ora tolakandro ny fampisehoana voalohany, etsy amin'ny CCI Ivato . Etsy Antsahamanitra kosa ny faha telon’ny volana Mey, mbola amin'ny telo ora tolakandro ihany. Ankaoatra iizay dia hisy fihaonana sy tafatafa mivantana eo amin'ny tarika sy ireo mpankafy, ary fifampizarana hatao etsy amin'ny Havoria Anosy izay hanasana ny daholobe ihany koa , indrindra ireo izay te hametraka fanontaniana amin’izy mivady mpamorona ny tarika Exo. Ny faha sivy Mey kosa no hahazo ny anjarany ireo mpankafy any Toamasina. "Que ton Règne VIENNE" io no lohahevitra amin'izao fitetezam-paritra ataon'ny Exo izao. "Ho tonga eto amintsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary Malagasy manjaka, Madagasikara mamiratra no tanjona", hoy ny Impact Group Event mpikarakara ny fampisehoana. Efa fanin’efany izao no nanao fampisehoana teto Madagasikara ny tarika exo sia ny taona 2001,2003,2008 ary izao 2025 izao, nankafizin’ny Malagasy hatrany ny seho sy ny hira izay natolony. Toy ny fanaony amin’ny fifitetezana firenena izay nataony dia miaraka amin’ny mpitendry sy mpiara miasa maro i Chris sy Laura CHRISTENSEN, tsy izay anefa no hitranga amin’ity diany eto Madagasikara ity fa izy mivady irery no tonga. Mpitendry sy mpihira malagasy avokoa araka izany no hanampy azy 2 ireo ary heverina ho lasa mpikambana ao anatin’ny tarika manomboka eto. Mpanohana ofisialy ity fampisehoana ity ny Pho Resto .azo hanjifana ny tapakila avokoa araka izany ireo toerana rehetra misy ny Pho Resto toy ny ao Ampasamadinika , Ivato, ankorondrano, Bel’Air. Tahaka izany ihany koa ny an’ny ketrika.com izay ahafahana mividy ny tapak’ila ihany koa. Ny fampisehoana izay ho tanterahana any Toamasina aza moa dia amin’ny alalan’ny ketrika.com irery ihany no ahafahana manjifa ny tapakilan’io fampisehoana ho ataon’ny Tarika exo io.
Solotiana
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena

Card image cap