airtel

kolontsaina

11-mai-2026

Tarika Tirike

Nanakoako ny fandraisana tany

Sample post image

Canada, ao Paris ny manaraka

11-mai-2026

Nanakoako tany Amerika Avaratra ny gadona Tsapiky omaly alahady 10 Mey 2026 tao Montréal Candada, nandritra ny Festival Lokontsika. Ny tarika TIRIKE no namarana izany tamin’ny fomba manetriketrika. Tsy mozika fotsiny ny Tsapiky fa lasa hery mampiray sy manampy ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny hetsika firaisankina any ivelany satria tamin-kafaliana tanteraka no nandraiasan’ny mponina sy ny Diaspora Malagasy azy tany an-toerana. Tsy mijanona eo, ny 13 jona 2026 izao, dia hifindra any Paris ny tarika TIRIKE miaraka amin’ny MENABE SOLIDAIRE. Hanao hetsika lehibe iarahana amin’ny Association SOATATA izany, izay hanatanterahana « collecte des fonds » hananganana Tranon-tsekoly ho an’ny oniversite vaovao ao Ampanihy. Nahafinaritra noho izany ny fandraisan’i Canada ny Tsapiky sy ny tarika TIRIKE, ary hitohy any Paris. Efa misy fifampiresahana amin’ireo Producteur avy any USA sy Belgique ary koa amin’ny African Initiative, izay manamafy fa miitatra hatrany ny sehatra iasan’ny Tsapiky. Maneho fa ny Tsapiky dia mozika mampiray sy manandratra ny maha-Malagasy maneran-tany.
Toky R
 

Dans la même rubrique