tarika Unik izany. Nalaza tamin’ireny ny gadon-kira dance sy ny firona amin’ny antsoina hoe «Boys band» sy «Girls band» izay midika hoe vondrona na tarika ahitana tovolahy na tovovavy eo amin’ny 3 na 4 na 5 eo miara-mihira anatina tarika iray. Ireto tarika ireto izay nameno ny tarika Tempo gaigy tany am-boalohany ny androatokony, izay mbola tao anatin’izay rivotra «Boys band» izay hatrany moa, raha tsiahivina kely. Miomankomana hiverina ao anatin’ilay hetsika mitondra ny lohateny hoe «Génération 2000», andiany faharoa, ry zalahy ireto ankehitriny, raha ny tafa natao tamin’ny mpikarakara ny hetsika Sylvanno Ratsimandresy. «Mifona», «Chérie», «Miaramila», «Fitiavana kilalao», isan’ireo vazo nahafantarana ny fivondronan-dry René, Rina, Mafonja, Vévé, ireo raha tsaroanao.
J. Mirija
Maro amin’ireo manori-tokantrano amin’ny alalan’ny fanambadiana ankehitriny
Nihaona tamin'ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga ireo ekipa mandrafitra