Ny taona 2000 moa izay azo lazaina tokoa fa taona tena nampiroborobo ny fampiaraham-peo sy mandihin’ireo tovolahy anaty tarika iray na tovovavy anaty tarika iray tamin’izany fotoana izany na ilay antsoina hoe “boys band” na koa “girls band”. Azo lazaina ho lasa tsiro na “feeling” hafa ilay izy 22 taona aty aoriana nefa mbola maha te hamerina izany, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpankafy. “Réveillons des années 2000” rahateo moa no nampisalorana ny anaran’ity fety namaranana ny taona 2022 iray ity ary dia samy namerina ny hirany avy teo ny tarika 2 tonta nefa nisy fampiaraham-peo sy fifampindramana izany koa teny an-tsefatsefany teny. Ny DJ Fanou kosa no niantoka ny fanentanana tetsy amin’ny fikosehana kapila.
J. Mirija
Legende: Vao niainga, hono, ny “balance” dia efa hita ny “ambiance”
Izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.