airtel

kolontsaina

22-déc-2022

kolontsaina

TENY GASY 2023 : mampanahy raha tsisy fifampitokisana

Sample post image

Tokony ho taom-pifidianana amin’ny 2023. Mampanahy anefa izay mety hitranga satria tsy tanteraka ilay kely fa lehibe indrindra,

22-déc-2022

dia ny fahatokisana. Efa am-polo taona no nangatahina hialana amin’ny lesoka niainana ombieny ombieny, saingy tsy misy ezaka mihitsy mametraka ilay kely fa lehibe hafa, dia ny mangarahara.

Fanisam-bahoaka, kara-panondro, lisi-pifidianana, kara-pifidianana : efa tokony ho informatika, elektronika, nomerika, avokoa. Io ihany no hisorohana ny fisian’ny velona tsy voasoratra ary ny maty manana kara-pifidianana roa. Raha vita elektronika ihany koa ny fanisam-bato isaky ny birao-pifidianana rehetra manerana ny Nosy, eo no ho eo, dia fantatra ary tsy miovaova eny an-dalana mandra-pahatonga aty Antananarivo, ny voka-pifidianana.

Misy ilay hiran’i Dadah-Mahaleo hoe «tsy misy maniry, ny voa nafafy, ho ratsy faniry». Tsy misy maniry korontana, saingy tsy mandeha amin’ny lalan’ny fametrahana ny fifampitokisana amin’ny mangarahara ny fomba fiasa ankehitriny.

Mampalahelo ny mahita an’i Madagasikara ankehitriny. Nosy lehibe indrindra amin’ny nosy rehetra aty amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasina indiana, anefa dia faraidiny indrindra, hangarian’ny Nosy Maorisy, La Réunion. Tany nianaran’ireo hitondra tany amin’ireo Nosy ireo, enimpolo taona lasa, nanjary ho mpandranto Oniversite any aminy ankehitriny.

Mba nandray firenena nanana ny hasiny sy ny hajany ihany isika, tamin’ireo Raiamandreny, saingy mahamenatra izay lova ho avelantsika ho an’ny taranaka aoriana. Fitiavan-tanindrazana, dradraina fotsiny, fa tsy misy eritreritra hanatanteraka azy. Ilay fifampitokisana ery ambony no antoka voalohany tsy mbola hampandrorona mihoatra noho izao ny firenena.

VANF


 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap