airtel

kolontsaina

21-mars-2023

kolontsaina

TENY GASY Antso avo : tsy misy jiro amam-bolana ny ESSAGRO

Sample post image

Ny 11 novembre 1962 no nandatsahana ny vato fehizoron’ny Sekoly Tombontsoa, izay nanomboka nandray mpianatra ny taona 1965.

21-mars-2023

Tsangambaton’ny Fiaraha-miasa Norveziana sy ny Fiangonana Loterana Malagasy ny «Tombontsoa». Taty aoriana, taona 1972, fifanarahana indray kosa teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny NORAD (fiaraha-miasa norveziana ho an’ny fampandrosoana) no niteraka ny FIFAMANOR (Fiompiana Fambolena Malagasy Norveziana) : raha fampiroboroboana ny fambolena ovy sy vomanga ary vomanga indrindra tany am-boalohany dia niitatra tamin’ny varimbazaha sy ny «orge» noho ny filàn’ny orinasa KOBAMA sy ny STAR tao Antsirabe.

Ankehitriny, ny Lycée agricole Tombontsoa mampianatra miainga amin’ny BEPC hatramin’ny Baccalauréat Technique Agricole ary ny ny IPSATTA (Institut Supérieur en Agronomie et en Technologies de Tombontsoa Antsirabe), izay rantsan’ny Oniversite Martin Luther, nisokatra ny taona 1965, kosa manofana matihanina amin’ny Fambolena sy Fiompiana. Tamin’ny fivoahan’izy 69 mianadahy andiany «Taratra» (Licence en Sciences agronomiques/Sciences paravétérinaires/Sciences des gestions) sy ireo 29 Andiany «Mijoro» (Technicien supérieur en Agronomie avy amin’ny FPQ-AVISCHOOL) dia hafakely ny post nataon’i Révérend Rakotozafy Denis : «Isaorana etoana ny Doyen, ny Filohan’ny SPAM, ny Governoran’ny Vakinankaratra, ny solotenan’ny MESUPRES» (fa) «An’Andriamanitra irery ny voninahitra».

Ny taona 1953 kosa ny Jesoita tao amin’ny Kolejy Saint-Michel Amparibe no nividy tany teny Bevalala. Namindrana ireo biby fiompy avy eny Ambohitraivo (ambadik’i Mahitsy, lalan’i Mahajanga) sy ny fitotoam-bary teo Amparibe. Ny 10 aprily 1957 no nahazo alalana hisokatra ny «ferme-école» teo Bevalala.

Io no razamben’ny CAR (Centre d’Apprentissage Rural, 1973) teny Bevalala, niova anarana ho CFP (Centre de Formation Professionnelle, 1995). Misy Sekoly ambony EPSA (École Professionnelle Supérieure Agricole, 1993), isan’ireo U-Magis fito amin’ny sahan’ny Jesoita eto Madagasikara, eny Bevalala ankehitriny.

Ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia miainga amin’ny Fambolena sy Fiompiana. Raha ny «Tombontsoa» (Loterana) sy «Bevalala» (Jesoita) dia narahina asa, enimpolo taona nitozoana, izany kabary-tsianjery izany. Misy Sekoly Ambony «École Supérieure des Sciences Agronomiques» ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mankalaza ihany koa ny faha 60 taonany. Mampalahelo anefa, tahaka izay tsy firaharahiana mitranga amin’ny Sekoly Ambony Polyteknika Vontovorona, fa tsy misy jiro efa amam-bolana maro ny ESSAgro. «Tsy misy jiro eto amin’ny ESSAgro, Mikatso tanteraka ny Fampianarana sy ny Fikarohana, Fotodrafitrasa simba» : hoy ny fitarainan’ireo Mpampianatra sy ireo mpianatra antenaina ho «Ingénieurs» amin’ny sehatra fototry ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

«Tombontsoa» (Loterana) sy Bevalala (Jesoita) amin’ny andaniny ; ESSAgro (Fanjakana malagasy) amin’ny ankilany : ahitana ny lanja mba omen’ny fitondram-panjakana ho an’ny Fampianarana, indrindra amin’ny sehatra ianteheran’ny ain’ny firenena.

VANF
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Nanomboka omaly Alatsinainy 06 May maraina ny asa fanamboarana ny Village Artisanal

Card image cap
07-mai-2024

Ho tafaraka indray ao amin’ny Valahara café Antsirabe Ifanihy sy Tselonina ny alin’ny 31 may izao.

Card image cap