airtel

kolontsaina

23-mars-2023

kolontsaina

TENY GASY «Aoka izay», ka hifidy indray aho.

Sample post image

Tamin’ny 1999 aho no nifidy farany. Fa handeha hifidy aho amin’ity taona ity. Raha hisy ihany ny fifidianana. Tsy haiko intsony, impiry izay no nivezivezy teo ny taratasy ho fenoina avy any amin’ny Fokontany.

23-mars-2023

Vita soa aman-tsara ihany angamba satria, ela ny ela, naharay ny taratasy «Takelaka fanisana ny mpifidy» : «Izaho voalaza anarana etsy ambony dia manamarina sy manao sonia fa rehefa novakiana tamiko, dia marina ary feno avokoa ireo filazalazana momba ahy voasoratra ireo».

Izay tsy afaka manao sonia, dia mametraka lavotondro. Enimpolo taona mahery aty aorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena, dia mbola misy Gasy sady tsy mahay mamaky teny no tsy mahay manoratra anefa dia manana zo hifidy. Inona moa izany no ho amarininy eo raha vakiana vilana aminy izay soratra tsy hainy vakiana akory ? Tsy mahay mamaky lahatsoratra, fa dia handeha hifidy satria mahay manavaka ny lokon’ny tee-shirt : mena, manga, mavo, fotsy, mainty...

Izany toe-javatra izany, isan’ny nankaleo ahy tsy nandehanako nifidy efa ho 25 taona. Ny tena miezaka, misava ny ravina sy mamakafaka, manavaka ny vary amin’ny tsimparifary ; ny sasany, tolorana vary iray kapoaka sy salorana tee-shirt dia mandatsa-bato anjambany.

Izany fanambakana izany no nahatongavan’ny sasany ho hoe olom-boafidy. Zarany aza tsy hahay hamaky teny sady tsy hahay hanoratra mandrakizay ny maro an’isa, mba ho mora fitahana. Zarany ihany koa aza ho maro ny mahantra fadiranovana, sitrany ahay voavidy mora amin’ny vary iray lovia.

Firy isika raha mitovy amiko ianao ? Maromaro ihany raha ny tahan’ny tsy nifidy tamin’izay fifidianana nisesisesy izay. Betsaka kokoa ireo tsy nifidy noho ny nifidy an-dRanona na nirona tamin-dRanona. Saingy mbola tsy misy moa ilay lalàna tokony hanafoanana ny voka-pifidianana raha tsy ampy antsasa-manilan’ny mpifidy no tonga mandatsa-bato.

Na singan’olona tokana fotsiny aza, indrindra moa ka takalom-bary sy tee-shirt, no tonga mandatsa-bato, dia ho lany ilay tsy ankatoavin’ny sivy hafa nijanona an-trano. Mbola tsy laniera ihany koa ilay lalàna tokony manome hasina ny «vato fotsy» izay tsy tokony hafangaro velively amin’ny vato maty : raha olona dimy amin’ny folo no tonga mifidy, ka ny efatra mbola mametraka «vato fotsy», rariny ve raha izay safidin’olon-tokana no hamaritra ny fiainan’ny rehetra ? Raha «vato fotsy» no maro an’isa, tsy misy maha afa-po izany ireo nilatsaka, fa tsy hoe nandresy zato isan-jato amin’ny vato tokana «manan-kery».

«Aoka izay», ka hifidy indray aho.

VANF
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap