Tsy inona no mahatonga izay fahataran’ny rotsak’orana izay fa ny afitsok’olombelona ihany, ary indrindra indrindra ny tevy ala sy ny doro-tanety na ny fanotofana ny tanimbary, kamory, farihy.
Raha izay telopolo taona nandraisako anjara tamin’ny fambolen-kazo isanisany izay, asa nahatsatoka zana-kazo firy tokoa moa aho. Saingy, tsy izay zana-kazo hangalana sary loatra no zava-dehibe, fa ny isan’ireo naniry tokoa ka nitombo ho hazo miaro ny tany. Tsorina fa toerana roa na telo ihany amin’ireo voatety (Fihaonana RN4, Ambohitrandriana RN1, Antsampandrano-Ilafy) no tsikaritro misy ala kely tsy dia ringan’ny taona sy ny ankaso.
Sarotra ilay angatahin’ny Ministera (Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovain-Jafy), amin’ny alalan’ny DREDD (ohatra, Analamanga), hoe «Hiantoka ny fanaraha-maso, ny fanolokoloana ary ny fiambenana ireo zana-kazo novolena mandritra ny fitomboany».
Raha iny Lalam-pirenena Faha-Efatra iny fotsiny, ahitana «site de reboisement» (toeram-pambolen-kazo) maromaro : tsy hisy fikambanana afaka hiambina ireo zana-kazo isan’andro, marain-tsy hariva ary mandava-taona. Iaraha-mahalala ary tsy takona afenina anefa ny doro-tanety anelanelan’ny Distrika Ankazobe sy ny Distrika Maevatanàna. Na ny an’ny Governemanta aza fongan’ny afo : hatrao anatin’ny «faritra voaaro» tahaka an’Ankarafantsika aza, misy doro-tanety ! Mandra-pahatonga any Mahajanga, firy hektara no tazana kila mivolon-davenona.
Raha ny soa andrasana amin’ny fambolen-kazo, sao tsara atsangana ho FADY ny hazo sy ny ala mba hiarovana azy. Raha ny fahasahiranana isan-taona, manafintohina loatra ny mahita ny fandringanana ataon’ny hafa : sao atsangana ho «FARITRA MENA» ihany koa ny ala ka hanokanana olona sy vola ary fitaovam-piadiana tahaka izay atao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra na Iavoloha ?
Ny ala efa fantatra ny soa tsy maintsy azo avy aminy, fa raha ny fivorivoriana anaty Lapa-panjakana, hatramin’izay enimpolo taona izay, tsy hita loatra izay tamberiny hatreto.
VANF
Izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.