tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

kolontsaina

TENY GASY Fanabeazana sy Fampianarana tsara orina no fototry ny Firenena

Tsy resaka vatsim-pianarana ihany ny raharaha manahirana ny Fampianarana eto. Olana am-polo taona maro no nojerem-potsiny ka tonga homamiadana ankehitriny, mangaoka ny taovan’ny Fanabeazana.

17-mars-2023

Sample post image

Vatsim-pianarana sy Fitsinjaram-pahefana : raha ny taona 1950 ohatra, no nosantarina teto Antananarivo-Renivohitra ny Fampianarana ahazoana «Licence en Droit», efa ho telopolo taona aty aoriana, 1977, vao nisy «CUR» (Centres Universitaires Régionaux) isaky ny Renivohi-paritany dimy hafa. Nakarina sata ho Oniversite ireny tamin’ny 1988, saingy aty amin’ny taona 2001-2002 dia mbola hoe 65% ny mpampianatra amin’ny Ambaratonga Ambony dia teto an-dRenivohitra. Oniversite anarany fotsiny angamba ireo notokanana isaky ny Faritany hany ka ny mpianatra 14.244 tamin’ny 20.000 nanerana an’i Madagasikara (2001-2002) dia namonjy an’Antananarivo avokoa. Raha nahafeno ny fepetra maha Oniversite azy ny isaky ny Renivohi-paritany (taranja maro, mpampianatra ampy fahaizana ary ampy isa, «bibliothèque» misy boky an’alina, «laboratoires» ary fomba, ets.) afaka nijanona tany aminy ny mpianatra maro, ka tsy nila nangataka vatsim-pianarana ho fonenana sy sakafo am-pivahiniana.

Inona no antony tsy nanatanterahana izany fepetra kely indrindra hahalavorary ny Fampianarana isam-paritany, isam-pivondronana, isam-piraisana, isam-pokontany izany ? Finiavana politika izay, raha ny tena marina, dia Fitiavan-Tanindrazana tokoa.

Mpitondra mikasa hamerin-kasina ny firenena izany, tsy maintsy ny Fampianarana sy ny Fanabeazana no atao tsara orina ho fototra mateza, satria ny olona no voalohan-karen’ny firenena iray.

Naman’ny Mpamadika Tanindrazana, raha izany, izay manao ny Fampianarana ho ambin-javatra ary manamavo ny asa Fampianarana amin’ny tsy fanomezan-kasina ny Mpanabe sy ny Mpampianatra, izay mikolo ary mitaiza ireo solofo sy dimby. Fambolena sy Fiompiana ho sakafo fivelomana, Fitsaboana hitsinjo fahasalamam-bahoaka, Fitsarana anankinana ny rariny sy ny hitsiny, Fitandroana Filaminana mba ho fiaraha-monina tsy an-driran’antsy, Fampianarana mba tsy ho adala toa an-drainy (sy reniny), dia Fanjakana manomba ny fahalalan’ny tsirairay anatin’ny tombontsoan’ny daholobe.

Fanabeazana sy Fampianarana no mandatsaka am-po sy mandentika an-tsaina ny fifampitsinjovana farafahakeliny hahafahana miaraka monina tsy mifandratra. Fanabeazana sy Fampianarana no mandatsaka am-po sy mandentika an-tsaina ny fitsipika tsy azo tsiniavina raha hiaraka miaina tsy mifanafintohina. Fanabeazana sy Fampianarana no mandatsaka am-po sy mandentika an-tsaina ny tantara niombonana sy ny vina mbola hiarahana maha-Firenena.

VANF

 

 


 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fetin’ny paska ao Antsirabe Hanomboka ny 07 aprily ny Star Tour
27-mars-2023

Fotoana vitsy isika dia hankalaza ny fetin’ny Paska indray isika. Toy ny fanaony isan-taona dia nisafidy manokana ny

Card image cap
Luc, Mahery, Nini Kolibera Hitondra “Revy guitare” eny amin’ny Pho Resto Ivato
27-mars-2023

Etsy amin’ny Pho Resto Ivato no fotoana ny zoma 31 martsa izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny antsoina hoe “Revy guitare”

Card image cap
Zara revy 2023 Hizaran’i Samoela ny reviny tanaty 28 taona
27-mars-2023

Efa ho 28 taona izao I Samoela sy ny ekipany no nitondra ny valizin-dreviny nanerana an’I Madagasikara tamin’ny alalan’ireo vazo miteny be dia be noforoniny, hoy ny mpikarakara ny fitetezam-paritra “

Card image cap
Hetsika Festival Dola beach Ezahana asongadina ny kolontsain’i Vatomandry
24-mars-2023

Ny 7 hatramin’ny 10 aprily izao no ho tontosaina any amin’ireo torapasik’i Vatomandry ny andiany faha 11 amin’ny hetsika Festival dola beach.

Voir plus