airtel

kolontsaina

05-janv-2023

kolontsaina

TENY GASY Fivavahana : iza no mino marina fa mahafantatra ?

Sample post image

Mpianatry ny Jesoita aho, nandritra ny folo taona. Nahazo tokoa «Ny Fanahy no Olona». Latsa-paka mandrak’androany ny hoe «Miorim-paka hanasoa olona». Saingy.

05-janv-2023

Saingy, tsy mba nampianarina anay, ohatra, hoe ny «Capucins» sy «Franciscains» ary «Dominicains» no nitory tany Roma fa maka volon-tany loatra ny Jesoita tany amin’ny Emperora Sinoa : nandefitra ny fisian’ny karazana sy saranga, nanaja ny lafin’ny sasany tamin’ny fivavahana amin’ny Razana, tsy sarotiny tamin’ny fomba fanompoana an’i Confucius. Tsy dia mahagaga loatra raha, tamin’ny 1773, niafara tamin’ny fanafoanan’i Papa Clément XIV ny Kompanian’ny Jesoita ireo fitarainana isan-karazany nakarin’ny fikambanana relijiozy kristiana hafa. Roambinifolo sy roanjato taoa taty aoriana, fony izahay mpianatry ny Jesoita dia nentina nitsidika ireo toeram-panasinana ara-drazana, teny Andranoro sy teny Ambohimanga. Tsy nisy fanafintohinana na iza na inona, fa fahalalana ny «zava-misy» araka ny hiran’i Dama-Mahaleo.

Tsy moramora tamin’ny Fiangonana Katolika ny fisintahan’ny Loterana (taona 1517, no namoahan’i Martin Luther ny hevitra miisa 95 nanakianany ny Eglizy katolika) sy ny Kalvinista (taona 1574 no tafapetraka sy niely, izay nisy noraisin’ny FJKM malagasy ny fomba fiasany) ary ny Anglikana (1534, ny mpanjaka anglisy Henri VIII no niala tamin’ny Vatikana) tao anatin’ny dimampolo taona monja.

Nahery vaika ny fifanoherana ara-pivavahana (teo amin’ny samy Kristiana) tamin’izany andro izany, ka rafitra hatramin’ny nantsoina hoe «Guerre de Trente Ans» (telopolo taona niady ihany, 1618-1648). Nandalo fotoana sarotra ny Finoana Kristiana vao nifanaja isam-piangonana : nofoanana ny «Inquisition» mpanozon-doha sady mpampingoso izay nivadi-pinoana, nofoanana ny «Index», sivana masiaka tamin’izay soratra sahy nametra-panontaniana fotsiny amin’ny asan’ny Apostoly. Nandalo fiovana goavana mantsy ny firenena tany Eoropa tamin’izany taonjato 15 ka hatramin’ny faha 18 izany : nandroso ny siansa ; ka nahavitana ny «caravelle», sambon-dranomasina nahatody tany Amerika, tany India, tany Azia ; nifankahita, nifampizara, tamin’ny kolontsaina hafa tanteraka (Brahmana, Confucius) ny mpivarotra sy misionera eoropeana.

Ny fandrosoan’ny siansa ihany koa no nampametra-panontaniana be ihany tamin’ny tsianjery ara-bakiteny nianarana sy nitanisana ny Soratra Masina kristiana hatrizay. Izany fahalalana vaovao izany, izany fanontaniana vaovao tsy nampoizina akory izany, izany maso nisokatra amin’izao tontolo izao izany, no niteraka ilay nantsoina hoe «siècle des Lumières» tany Eoropa, ka nahazoany, sy Amerika zanany nandimby azy, ny fon’izao tontolo izao.

Ny fandrosoana dia fanontaniana. «Aleo manontanintany foana, toy izay manaotao foana», hoy ny Razantsika hendry. Tsy mihinana amam-bolony, tsy manaiky fahatany. Ahoana re no handikana tsara indrindra ny hoe «remise en cause permanente» sy ny hoe «discernement», nampianarina anay tany amin’ny Jesoita ? Mahita ny «zava-misy» ankehitriny, dia velom-panontaniana ihany koa hoe nankaiza ilay fanontaniana fototra tamin’ny taonjato faha-16, niteraka ny Loterana, ny Kalvinista, ny Anglikana.

VANF
 

Dans la même rubrique