Manaja ny Razana nipoirana, mankato Raiamandreny, mandala fihavanana, manao mbay lalana, miala tsiny izay tratra raha handray fitenenana.
Misy ohabolana vitsivitsy mitahiry ny fitaizana teto fahiny. Singanina vetivety ny sasantsasany : «tsy mitsako alohan’ny vazana», «tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka», «miarahaba tsy maha andevo, arahabaina tsy maha andriana». Misy fahendrena oha-piainana miainga tamin’ny fandinihina ny zavaboary, ny zavamaniry, ny biby. «Aza atao fihavanam-bato, raha tapaka tsy azo atohy ; fa atao fihavanan-dandy, raha madilana aza, tohizana», «aza fitia haronkely, asiana roa dia feno, ahafahana iray dia tapany», «aza mahalala folo ho an-tena, ka tsy mahalala iray ho an’olona», «aza manao fanairan’akoho : mifoha maraina ka eo atsimom-patana ihany», «aza manao fihavanan’Ivonizongo sy Avaradrano : raha mankany Vonizongo, kisoa no fahana ; fa raha tonga any Avaradrano, patsakely fenoin-kalady», «aza manao toy ny amboan-dReningadona, izay mitondra kitapo arahina daholo», «aza manao toy ny masoandro avy atsinanana : ny avo ihany no itaingenana ; fa manaova toy ny masoandro avy andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa», «aza mandihy eo ambony atambo», «aza manely vory, toy ny akoholahy mihehy an-tsompitra», «aza mitoe-poana toy ny vato : ny lehibe, tsy miteny ; ny kely tsy misy mpananatra». Ireny rehetra ireny no mitambatra, zary raiky tampisaka, no mamaritra ny Fomba Gasy.
Ny Fomban’ny Gasy indray kosa dia ny fihetsika tsikaritra tato ho ato. Fomba mampanontany tena. Ny fihetsika vaovao nampidirin’ny Vazaha teto, noho ny Fanjanahantany, ve no tsy mifanaraka amin’ny lamin-tsaintsika, sa isika mihitsy no efa baranahiny ? Ohatra fotsiny : atao inona moa ny «Arrêt Bus/Bus Stop», izay nitaizana nanaovana «éducation civique» fahiny tany an-tsekoly, raha samy hiakatra na hidina amin’izay danin’ny kibony ? Ny saoferan’ny taxibe, nampindramina vetivety ny fahefana noho ny «permis de conduire» nianarany nitondra fiara, ve no tompon-kevitra sa ny «receveur» mpanera olona sa kosa ny mpandeha miantso «Misy miala» isaky ny tokonambaravarany, ka mampitohana ny fifamoivoizana isaky ny dimampolo metatra ?
Ohatra hafa. Raha vao misy lalam-baovao, mbola tsy voatokana akory ny zava-bita dia efa hita soritra izay mety ho fikorontanana. Ny «trottoir», ilay faritra manolotra ny arabe ka voatokana ho an’ny mpandeha tongotra, dia voatemitra olona maka aina, mipetraka amin’ny tany. Ny mpivarotra isan-karazany dia tsy rototra manatoby anaty arabe ny tsenany. Raha vao misy faritra malalaka, vetivety dia ataon-dry Ramoramanana parking soa amantsara.
Fa ny arabe izany ve, ho an’ny Gasy, tokontaniny ? Mahalasa saina ary mahavelom-panontaniana satria na eny amin’ny Lalam-pirenena samihafa rehetra aza dia toa satry hivoaka ny tokonambaravarana mba hanokon-dresaka imoron-dalana. Misy Fomba Gasy adinon’ny mari-tanàna (urbanisme) nampianarin’ny Vazaha ary ve, ka sao tokony heverina sy haverina ny kianja isan-tanàna ho fihaonana, fitsangatsanganana, fipetrapetrahana, fanaovana kibo an-tsena, fitantarana valamaty, fanokonam-panorona, fampiadiana akoholahy, filalaovana kanetibe ?
VANF
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady