tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

TENY GASY Indiana-Hindò, Pakistana-Silamo : Karana samy hafa

Karana no lasa Praiministra any Great-Britain. Rishi Sunak, mpandala ny fivavahana hindoisma, ary nanao fianianana tamin’ny bokin’ny Bhagvad Gita, fa tsy tamin’ny Baiboly tahaka ireo Praiministra rehetra nialoha azy, izay Kristiana avokoa.

28-oct-2022

Sample post image

Nivadika tokoa ny rasa : «Ex-India company set to run Britain», hoy ny lohatenin’ny gazety indiana iray. Ilay India, nozanahan’ny Britanika tamin’ny alalan’ny «East Indian Company», no lasa hitantana an’i Britaina. Ohatran’ny hoe Gasy am-pielezana no lasa Filohan’ny Repoblika frantsay.

Misy faly amin’izao hoe «fahalalan-tsain’ny Britanika» izao. Misy koa tsy faly noho ny fahaverezan’ny hasin’ny Teratany-Tompontany. Raha oharina ihany : firy no hanaiky hoe Karana no lasa Filohan’ny Repoblika eto Madagasikara ?

Vao tamin’ny volana septambra 2022, taorian’ny lalao crickett nifanandrinan’India sy Pakistan, tany amin’ny lalaon’ny Asia, dia notafihin’ny Paki-Silamo ny Indiana-Hindò tany amin’ny tanàna anglisy Leicester (isika miteny izao, misy lalao hafa indray, any Aostralia, tafiditra amin’ny tompon-daka eran-tany amin’ny crickett : aza izay ho tohiny, 15000 kilometatra avy eo, any Angletera). Ho antsika Malagasy, Indiana-Hindò sy Pakistana-Silamo izany, samy Karana. Fa izy samy izy, mahalala tsara ny faha samy hafany.

Misy gazety indiana hafa, manontany hoe : «Faly isika fa Indiana no voatendry ho Praiministra any Britain, mitehaka isika noho ny hoe fahalalan-tsaina. Saingy, azo heverina akory ve Silamo no hitondra an’India ?». Azo avadika antefa amin’ny Pakistana ihany koa io fanontaniana io : «Azo heverina akory ve Hindò no hitondra an’i Pakistana ?»

Tsia avy hatrany no valin’ireo fanontaniana roa ireo. Tany tokana nozarain’ny fivavahana samy naka ny azy ireo, nifamono ho faty tamin’ny taona 1947, nivakisany ho firenena mifanolo-bodi-rindrina saingy mifankahala.

Mihambo ny maha Hindò azy Rishi Sunak, Praiministra britanika. Rehefa noisain’ny BBC ny teny hoe «hindò» tao amin’ny lahatsoratry ny gazety «Times of India», gazety lehibe indrindra any India, dia niverina indimy. Ny sokajy eken’ny firenena indiana hoe «PIO» (People of Indian Origin) dia manilika avy hatrany izay mizaka zom-pirenena Pakistana. Ny Karana eto Madagasikara, izay misy Hindò, misy Silamo, dia atambatra indraindray amin’ny hoe «Indo-Pakistanais». Manafangaro vahoaka tsy mitovy ihany isika Gasy ireto.

VANF
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus