airtel

kolontsaina

18-sept-2023

kolontsaina

TENY GASY Onitra tsy mamerin-daoniny

Sample post image

Efa nisy «Teny Gasy» tamin’ny febroary 2022 niresahako ny «remblais». Volana septambra 2023, mampatsiahy indray ny APIPA

18-sept-2023

fa tsy azo atao ny manototra anatin’ny faritr’Antananarivo-Renivohitra sy ny Tanàna manodidina. Tsy voaisako intsony raha ny lahatsoratra fanakianako io fanaovana «remblais», etsy sy eroa io, tao anatin’izay telopolo taona izay.

Jereo izay misy «lalam-baovao» rehetra ka manjary tongan’ny kamiao : tototra tsikelikely ny tanimbary. Isan’ny tena manafintohina, ary efa nasian-teny teto ombieny ombieny, dia ny nanotofana ny farihy etsy Dorodosy, ambany avaratr’Imerimanjaka.

Io bypass io indrindra indrindra, miala any Iavoloha ka hatrany Ambohimangakely, dia feno fanomezan-dalana soniavin’ny «commune rurale» manodidina : inona moa izany hoe «zone de développement mixte», ary manana «expertise» amin’ny «aménagement» sy «urbanisme» akory ve ireo «commune rurale» ireo ?

Ankadievo mivoaka Ankadimbahoaka : ara-tantara dia hoe teo Ankadimbahoaka ny fefiloha voalohany sy ny tanimbary narovany. Tototra avokoa izany ankehitriny ary mitombo isan’andro ny fanotofana tanimbary sy heniheny ary rano : nananganana station d’essence, mosquée (???), trano tsy misy «permis de construire». Efa nisy fandraràna, narahina fandrodanana, fa tsy tan-dalàna no sady tsy to-teny.

Isak’alina, mandra-parainan’ny andro, manao tohy vakana ny kamiao lehibe mitaona tany sy vato avy ao anelanelan’Imerimanjaka sy Ambohijanaka. Hitam-poko, hitam-pirenena izany : ka raha miteny indray ny APIPA ankehitriny, mba hisy zandary sy polisy ary ministra hanoina hanome lanjany ilay fandraràna sa mbola samy hitodika hijery an-kafa daholo ihany ?

Fanotofana ny tanimbary anatiny sy manodidina an’Antananarivo-Renivohitra ? ireny tondra-drano tamin’ny volana janoary 2022 ireny no vokany. Olon-tsotra no manao di-doha amin’ny remblais fa volam-bahoaka no lany hanatevenana ny fefiloha. Ankoatra izany : ny tendrombohitra nangalarana ny tany sy ny vato, potika. Ny tanimbary sy farihy voatototra, afoy. Dia onitra no sazy mba omena ireo mpanototra.

Ny didy aman-dalàna mifehy ny APIPA (foibe miaro an’Antananarivo-Renivohitra tsy ho fefika rano) dia mampandoa onitra fotsiny. Ka na avo roa heny, na avo telo heny, na avo folo heny, tsy ahoana intsony izay efa voatototra. Tsy ny onitra anefa no zava-dehibe, fa ny fiarovana ny farihy, ny dobo, ny kamory, ny renirano, ny tanimbary. Ary, raha omena baiko, «hamerina amin’ny laoniny» moa ireo mpanototra tany, mety ho azo heverina ihany ny handavahany indray izay nototofany, saingy ny tendrombohitra nokaohiny nangalana ny tany, ahoana no momba azy ?

Lafik’io bypass io anie ka ny tany teny Ambohitrandriananahary, misy ny fasan’Andriamananitany, no natsahana tsy nisy antra. Iza Andriamananitany ? Rain’Andrianamboninolona izay rafozan’Andrianjaka, ka noho izany razamben’Andriamasinavalona. Fa ahoan’ny mpanao «Aménagement» sy «Équipement» inona moa izay Tantara sy Arkeôlôjia. Dia mba misy dikany rehefa mamali-faty ny rano miverina amin’ny taniny mandritra ny safo-drano.

VANF
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap