airtel

kolontsaina

30-mars-2023

kolontsaina

TENY GASY Tantely, fiandry ny zavaboary

Sample post image

Notokanana afak’omaly teny Vontovorona ny «Miellerie» niarahan’ny Ministeran’ny Varotra sy ny FivMpaMa (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) nisalahy.

30-mars-2023

Ankoatra ny lafiny ekonomika, amin’ny maha vokatra azo aondrana amin’ny tsena iraisam-pirenena ny tantely, dia tsy azo adino ny resaka zavaboary sy tontolo iainana.

Roa mantsy no tena foto-tsakafon’ny tantely : ny vovombony (pollen) sy ny tsirombony (nectar), izay tsy afa-misaraka amin’ny ala sy ny zava-maniry mamoa fanja. Mila rano ihany koa ny tantely : tontolo iainana avokoa izany.

Fony mbola hoe niremby sy nioty fotsiny ny razambe tany aloha elabe tany, dia isan’ireny ny tantely an’ala. Ny tohotra asa-tanan’olombelona, manaraka fomba siantifika, dia fomba vao taty aoriana ihany, satria ny tohotra voalohany indrindra dia fisahiranan’ny biby manontolo.

Efa zato tapitrisa taona io bibikely antsoina hoe tantely io : ahiana ho lany tamingana anefa izy noho ny tsy fanajana ny tontolo iainana : tevy ala, doro-tanety. Ny tantely anefa hono no fiandry ny zavaboary («sentinelle de la biodiversité»).

Any Eoropa, hatramin’ny taona 1990, dia nihena 75% ireo «karazam-bibikely» (insectes) : raha ringana anefa ny «insectes», izay mpanaparitaka ny vovombony (pollen), dia ho foana ihany koa ny vorona, ny trondro, ny sahona, etsetra. Mifaningotra mantsy ny ain’ny biby maro samy hafa, ary izay indrindra no maha «tontolo» azy. Singa naman’ny singa hafa anatin’izany ny olombelona na dia mihevi-tena ho «tompony» aza.

80% ny zava-maniry misy vony (voankazo, kafe, kakao, colza, tournesol, legioma : tongolo, karaoty) dia miankin-doha amin’ny «insectes» mpampivady ny vovombony, ary voalohan-daharana amin’ireny ny tantely (fa eo koa ny lolo, ny vorona, ny fanihy).

Ny 19 janoary 2023 farany teo, nankatoavin’ny Cour de justice de l’Uniin européenne (CJUE) ny fandraràna ny antsoina hoe «néonicotinoïdes» : ilay fanafody simika nantenain-kanirina hiarovana ny fambolena (katsaka, betterave, ets.) kanjo lasa nampivandravandra manimba ny tontolo iainana : isan’ny tena nitondra faisana tamin’ny fampiasana ireny «néonicotinoïdes» ireny ny andian-tantely tany Eoropa. Dieny mbola tsy miparitaka eto Madagasikara izany fanafody simika izany dia efa tokony ho mailo sahady isika.

VANF

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap