tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

TENY GASY Tao Antiokia no voalohany nanaovana ny anarana hoe Kristiana

Efatra alina no isan’ny maty sy tsy hita popoka hatramin’ny 6 febroary nitrangan’ilay horohorontany goavana tany Torkia sy Syria.

16-févr-2023

Sample post image

Tsy vao voalohany nisy loza mahatsiravina tahaka izao iny faritra iny : tamin’ny taona 526, olona 250.000 no maty ; tamin’ny 1054, olona 10.000...

Isan’ny tanàna manan-tantara indrindra amin’iny faritra voadona mafy iny i Antiokia : na dia maro aza no nifindra monina, rehefa nomena an’i Torkia ny tanànan’i Antiokia, tamin’ny 1939, niara-nonina tao ary nahay niara-niaina ny Sonita, ny Alaoita, ny Jiosy, ny Orthôdôksa, ny Katôlika.

Antakya ankehitriny, anaty faritanin’i Torkia : adinon’i Kristiana fa io ilay Antiokia, tanàna manan-tantara manokana amin’ny fivavahany. «Saoly, izay atao hoe koa Paoly» (Asan’ny Apostoly, XIII, 9) dia nampianatra sy nitory tamin’ny tanàna maro amin’ny tapany atsinanana sy avaratra-atsinanan’i ranomasina Mediteranea. Isan’izany Antiokia, izay voatanisa mifanindra-dalana amin’ny anaran’i Paoly ao amin’ny «Asan’ny Apostoly» : XII, 25 ; XIII, 1-3 ; XIV, 26-27 ; XV, 25. Ny Testamenta Vaovao, no milaza fa «tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana» (Asan’ny Apostoly, XI, 26).

Taona 300 talohan’i J.-K., no nanorenan’i Seleucos, isan’ireo Jeneraly nandimby an’i Aleksandra Lehibe, ny tanànan’i Antiokia. Renivohitry ny faritany syriana izy tamin’ny taona 63 talohan’i J.-K. ary tanàna fahatelo lehibe indrindra tamin’ny Fanjakambe romana taorian’i Roma sy Aleksandria, hatramin’ny taona 330, niorenan’i Konstatinôpla. Vitsy ihany koa sisa no mahalala fa iny Faritra misy an’i Armenia, Iran, Irak, Syria iny dia foiben’ny fivavahana kristiana voalohany, ireo nantsoina taty aoriana hoe «Kristiana Tatsinanana».

Tao Antiokia i Paoly, raha nifamaly tamin’i Kefasy (izay, raha adika, Petera : Jaona, I, 42) imason’ny rehetra, no niteny hoe «Taranaky ny Jiosy isika, nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika» (Galatiana, II, 15-16).

VANF

 


 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus