Tsy ampy fitaovana ny Fanjakana malagasy, hanara-maso sy hiaro ny sisin-tanin’i Madagasikara. Safidy tsy natao, hatrany am-boalohany, ka na Tafika an-dranomasina, tokony ho fitaovana voalohany, tandroka aron’ny vozon’izany hoe Nosy aza, tsy misy.
Izao taona 2022 izao, raha misy tafika vahiny manani-bohitra eto, dia ho tahaka izay niseho tamin’ny 1894-1895 ihany : hitazam-potsiny isika, satria tsy nivonona amin’ny fitaovana sy ny olona fa indrindra ny politika ankapobe.
Tamin’ny andron’ny Repoblika sosialista, 1975-1991, impiry moa tsy nandrenesana hoe «mercenaire» Afrikana tatsimo tafiditra hitsikilo sa hanongam-panjakana teto. Ireny raharaha politika 1991, 2002, 2009, ireny kosa no nampibaribary fa rehefa tampin-dalan-kaleha etsy amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato, tora-pasika lava misy hisintahana tsy ankiteniteny ny 5000 kilometatra sisin-dranomasin’i Madagasikara.
Firy izay «IST» (interdiction de sortie du territoire) anaran-tsy very fotsiny izay. Raha toa moa ka tsy namono olona, tsy nangalatra volam-bahoaka, tsy nahavanon-doza : vitan’ny «tantara mitohy» somary maneso ireo tokony hanao andrimaso ny sisin-tany. Fa, raha sanatria kosa ka olon-tsy vanona, tokony efa navela hiaran’ny fitsaram-bahoaka (indrindra fa nofoanan’ny Antenimiera ny fanamelohana ho faty), no tafaporitsaka, tsy misy ompa razana sy ozona mahery afaka hampitony ny alahelo sy ny hatezerana.
Sisin-tany efa kilometatra maro tsy ampy mpanara-maso, manginy fotsiny ny tsikombakomba arahin-kolikoly. Ka raha mpamono olona, mpanao an-keriny, nahavanona habibiana, no ho ampandosirina, ary indrindra tafandositra, tafandositra ny fitsarana masiaka hany sahaza azy, tondroy molotra ho afa-baraka imason’ny mpiara-belona ary rarao tsy azo aiditra am-pasan-drazany, izay tompon’andraikitra mpamosavy nitazam-potsiny na nanome tanana.
VANF
Fotoana vitsy isika dia hankalaza ny fetin’ny Paska indray isika. Toy ny fanaony isan-taona dia nisafidy manokana ny
Etsy amin’ny Pho Resto Ivato no fotoana ny zoma 31 martsa izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny antsoina hoe “Revy guitare”
Efa ho 28 taona izao I Samoela sy ny ekipany no nitondra ny valizin-dreviny nanerana an’I Madagasikara tamin’ny alalan’ireo vazo miteny be dia be noforoniny, hoy ny mpikarakara ny fitetezam-paritra “
Ny 7 hatramin’ny 10 aprily izao no ho tontosaina any amin’ireo torapasik’i Vatomandry ny andiany faha 11 amin’ny hetsika Festival dola beach.