na manala ny mpivarotra mibahana amoron-dalana mandra-pameren’ny Filohan’ny Repoblika azy ireny.
Mba misy zavatra hafa, mipaka kokoa amin’ny Hasin’Antananarivo, satria dia ny #Tany_Teny_Tantara indrindra. Isan’izany, ary ity no fanantenana entiko hamaranana ny taona, dia ny ezaka fanavotana ireo Trano Gasy, mampiavaka an’Antananarivo (sy Imerina, sy hatrany Betsileo, tonga any Antsihanaka, paka hatrany Mandritsara aza, raha ny sary fahiny).
Raha maka sary an’Antananarivo ho atao «carte postale», tsy ny «tour» isan-karazany, izay maka-tahaka ny any New York sa Chicago, no raikitena ho Tantara fa Ambondrona-Faravohitra ravahan’ny Trano Gasy tarafin’ny masoandro mody. Ny hoso-doko malaza, navelan’ireo kalaza tapany voalohan’ny taonjato faha-20 nodimbiasan’ireo mbola mampirenty ankehitriny etsy Analakely na Antaninarenina, dia ny Trano Gasy no ventesiny sy kaloiny amin’ny sary.
Misy Trano Gasy iray, kanto sady miavaka, etsy Soarano-Tsiazotafo, nipetrahan’i Randzavola, Mpitandrina tao Ambonin’Ampamarinana sady Mpanoratra, saika hisy handrava. Nolavin’Antananarivo-Renivohitra* izany fikasana izany noho ny maha vakoka sady endriky ny vohitra ilay Trano Gasy ka asa ny Fitsinjaram-pahefana raha hanome rariny ny Vondrona Itsinjaram-pahefana mangataka hanan-jo amin’ny ny Didy Hitsivolana 82-029 (6 novambra 1982) mikasika ny fanavotana sy fiarovana ary fikojana ny Vakoka.
Maro, tsy tambo isaina, ny Trano Gasy nirodana fotsiny noho ny tsy fisian’ny fikarakarana na niniana nazera hanomezan-toerana trano «moderne» tsy misy fanahy ary manaratsy endrika an’Antananarivo. Raha manomboka misy iray, zokin’ny hafa hanaraka rehetra, ka vitan’Antananarivo-Renivohitra* no manavotra azy, dia efa dingana voalohany hiverenana amin’ny «Antananarivo tian-ko honenana, ka satan’Antananarivo tsy ho arahina».
* Halako ny fiantsoana hoe CUA (Commune Urbaine Antananarivo). Mahavery anarana an’Antananarivo, vohitra manan-tantara efajato taona, ny anaram-bosotra «administratif. Ary, rehefa samy hampiasa voambolana «administratif» ihany, aleoko lavitra ny teny gasy «Fiv/Anta/Rev» (Fivondronana Antananarivo-Renivohitra), izay ny «Antananarivo-Renivohitra» no miorim-paka : Antananarivo Antanànambony no foibe niandohana, niitatra ho «Firaisana» (mifangaro be ihany ny anarana indramina «district», «arrondissement»), tonga hatramin’ny famaritana ny hoe «Grand Tana», izay efa misandrahaka amin’ny Toko hafa, izay ireo Efa-Tokon’Andriamasinavalona : Avaradrano, Vakinisisaony, Ambodirano, Marovatana.
VANF
Tamin’ny 1999 aho no nifidy farany. Fa handeha hifidy aho amin’ity taona ity. Raha hisy ihany ny fifidianana. Tsy haiko intsony, impiry izay no nivezivezy teo ny taratasy ho fenoina avy any amin’ny Fokontany.
Hiharan’ny antsojay ankehitriny ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo malagasy FITRAMA teo aloha, Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Miteraka resabe eto amintsika hatrany ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy isaky ny volana Martsa tahaka izao. Misy mantsy ireo mihevitra fa tena fanompoana hafa mihitsy izy ity,