airtel

kolontsaina

04-juil-2023

kolontsaina

TENY GASY Vahiny sesehena, mpiavy marobe, maha tompon-trano mihono

Sample post image

LaFrantsa moa indraindray, noho ny «fiaraha-monina» nandritra ny enimpolo taona (1896-1960), dia ohatran’ny hoe mifanao trano atsimo sy avaratra amintsika izany.

04-juil-2023

Ny haino aman-jery mampahafantatra antsika, isan’andro isan’andro, izay rehetra mitranga any Frantsa : tsy misy firenena vahiny hafa maneran-tany ka haintsika sahala amin’ny tanindrazan’i Jules Ferry sy Gallieni ary de Gaulle.

Inona ary no hita amin’ny vaovao andro vitsivitsy izao ? Sekoly mirehitra, tranom-boky potika, fiara may kila an’arabe. «Fahatezerana» hono : «fahatezerana» noho ny fahafatesan’ny tanora iray, tsy ampy taona nangalatra nitondra fiara, ary nandika imbetsaka ny lalàn’ny fifamoivoizana teo imason’ny polisy.

Iza no maha vanona izao fanimbana sesehena izao : ireo antsoina any hoe «issus de l’immigration» na mpiavy hoy isika. Aiza no mitranga izao fanakorontanana mihoatra ny loha izao : any amin’ny antsoina any hoe «quartiers difficiles» na faritra sahirana-manahirana.

Any Frantsa, isaky ny misy zanaka na zafikelin’ny mpiavy, indrindra fa Arabo (izay nitranga ity taona 2023 ity) na Afrikana (nitranga tamin’ny 2005), mifanehitra amin’ny polisy na zandary, noho ny tsy fanarahan-dalàna, tsy mba ny hadisoan’ilay antsoina hoe «tanora» mihitsy no avoitra fa ny antsoina hoe «hetraketraka» lazaina fa ataon’ireo mpitandro filaminana.

Ka na mampihatra tsotra fotsiny ny didy aman-dalàna aza ny polisy na zandary frantsay amin’ireny tanora «Tavaratra» na «Mainty» ireny dia tsy maintsy hoe «délit de faciès» (fanavakavahana ara-bolon-koditra). Tsy ny fiara halatra, na ny fanelingelenana ny hafa mihitsy no ambetin-dresaka fa fohazina ny fota-mandry rehetra hatramin’ny fanjanahantany na tamin’ny andron’ny fanandevozana.

Raha «Commissariat de Police» no tafihina, raha polisy na zandary no tifirina : ahoana no tokony fepetra raisin’ny Fanjakana iray, mba ho fiarovana indrindra ny andrim-panjakana ? Raha tany amin’ny firenena niavian’ny dadabeny ireo olona ireo, ho sahy akory ve hihantsy isan’andro ny polisy sy zandary, tahaka izao ataony any Frantsa izao ? Raha tany amin’ireo firenena vahiny, izay miseho ho miaro ireto «tanora» ireto ankehitriny, ho «demokrasia» sy «zon’olombelona» ve no nasetry ireo mpanimba zavatra sady manararaotra mangalatra ireo sa tifitra kalachnikov ?

Alzeria moa dia niantso an’i Frantsa hitandro ny ain’ny vahoakany : vahoakany teraka sy manaranaka ary miorim-ponenana efa enimpolo taona any Frantsa... Frantsay taratasy izany ireo fa Aljeriana ara-po ? Ka izany no nahatonga ny hiram-pirenena frantsay takon’ny sioka maneso tamin’ilay lalao nantsoina hoe «ara-pirahalahiana» Frantsa-Alzeria, natao tao Paris, tamin’ny 6 oktobra 2001 ? «On a joué à l’extérieur», tahaka ny nilalao an-tanin’olona izahay, hoy Thierry Henry. Mbola Frantsa tokoa ve Frantsa ? Mbola an’ny Frantsay ve Frantsa ?

Misy ho saintsainina, mba tsy hampidirana vahiny sesehena sy mpiavy marobe ka hampifanandrina kolontsaina sy fivavahana mifandrafy ary indrindra haha tompon-trano mihono ny tompon-tany mpampiantrano.

VANF
 

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena

Card image cap