airtel

kolontsaina

11-mai-2023

kolontsaina

TENY GASY Valala, voangory, angidina : nihinana bibikely ny Ntaolo

Sample post image

Ny «bibikely» no nahavery anarana an’Ingahy Jules Prosper Goudot, «entomologiste» nivahiny teto fony faha Ranavalona I (nanjaka 1828-1861) :

11-mai-2023

mpanangona sy mpandinika ny «insectes» izy ka very anarana hoe «Mose Bibikely». Fa na ny Ntaolo aza dia efa fatra-pandinika ny bibikely. Raha ny valala fotsiny, anaran-karazana maro hita ao amin’ny «Rakibolana» : adrisa, aketa, kijeja, tsibody, tsikara, tsikondry, tsimbaivay, tsimbatavata, tsimbolavola, tsimpefe, tsindakana, tsingarangarana, tsingetana, tsinombina. Ny lolo ihany koa dia fantany tsara : fanday aloha, vao olimpanjehy, miofo ho samoina. Tahaka izany koa ny angidina : tsindretra vao foy, tsikona rehefa miofo voalohany. Tsy adinony ny voangory : sakivy, monany, rangahy.

Isan’ny anarana iantsoana ny valala ihany koa ny hoe «Kila» : valala may eny an-tanety ka angonina hamahanana vorona na kisoa (Rakibolana). Iza no mbola tsy nisambotra valala, na nanangona ireo mandrakotra tafontrano na tokotany. Fony mbola kely, izahay efa nitono voangoribe tamin’ny fatapera madinika sahaza ny ankizy. Na ho an’ny biby fiompy, na ho an’ny olombelona mivantana, mpihinana bibikely ny Gasy taloha.

Tamin’ny taona 1877, ilay Vazaha Nicolas Mayeur dia nanatrika ady nifanandrinan’Antananarivo sy Alasora. Natsahatra ny ady rehefa nandalo ny andiam-balala satria hoy ny mpifanandrina hoe : «Raharahan’ny rehetra ny ady amin’ny valala ; ny ady an-trano adidin’izy nikotrika azy».

Voatanisa ao amin’ny Tantara Ny Andriana (lovantsofina nangonin’i Mompera Callet teo anelanelan’ny taona 1864 sy 1883) ho namidy teny an-tsena tamin’ny andron’Andrianampoinimerina (nanjaka 1792-1810) ireto bibikely ireto, ka azo an-tsaina fa tahaka ireny tsena mbola fahita any Asia Atsimo-Atsinanana sy Shina ireny tamin’izany fotoana izany, roanjato taona lasa :

- Tsindretra : tonga angidina rehefa avy miofo fanindroany
- Ondrindrano (na tsikona) : anarana omena ny angidina eo amin’ny fiofoany faharoa rehefa avy miala amin’ny maha tsindretra azy, izay fiofoany voalohany raha vao mivoaka ny atody
- Tsindrahaka : karazan-kadradraka mivelona any anaty rano ka atao hoe «tsimahatafitena» raha mbola kely
- Tsikovoka : anaram-bibikely any anaty rano, tahatahaka ny voangory ka lavalava boribory ny tenany sady voarakotra hoditra mafy, fa ny tongony aoriana no entiny mivoy rano
- Fangorinana : bibikely miofo ho tsikovoka
- Kijeja : valala vao foy

Hatramin’ny nanorenan’ny olombelona fonenana teto amin’ity Nosy ity, roa arivo taona mihoatra na latsaka, ary indrindra hatramin’ny nampidirana ireo mpiraoka ahitra (omby, ondry, osy) roanjatosiarivo taona tany ho any, dia simba ny ala ary ngazana ny tanety. Manerantany indray kosa, amin’ny taona 2050, ahiana ho tafakatra 9 arivo tapitrisa (9.000.000.000.000) ny isan’ny olombelona. Tsy maintsy hitombo manaraka izany ny filàna ara-tsakafo ho an’ny olombelona sy ho an’ny biby fiompy. Hisy tombom-besatra amin’ny tontolo iainana : tsy fahampian’ny tany fambolena, tsy fahampian-drano, tsy fahampian’ny angovo mamahantena, fahasimban’ny ala, fandripahana ranomasina...

Isan’ny nahatonga ny FAO, efa hatramin’ny 2003, hanadihady inona sy ahoana ireo bibikely azo hanina (insectes comestibles). Mety lalana tsy maintsy hiverenana indray eto Madagasikara. Marobe anefa ny ahiahy sy fanontaniana.

VANF


 

Dans la même rubrique