airtel

kolontsaina

20-avril-2026

TOLIARA

Naresaka ny Tsapiky Festivaly, tsy nangina koa ny "Stop Vara Mada"

Sample post image

Henika Tsapiky i Toliara ny faran'ny herinandro lasa teo.

20-avril-2026

Nanakoako ny lanonam-panjakana nanamarihana ny nametrahana ho harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana ho an'ny zanak'olombelona ity kolontsaina isany mampiavaka ny Faritra Atsimo Andrefana ity. Fa nanararaotra ny vory vahoaka sy ny fahatongavan'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michaël tao an-toerana ireo mitaky ny hanajanonana ny tetikasa Base Toliara izay niofo ho VARA Mada ankehitriny manoloana ny mety ho fatiantoka amin’ny taniny sy ny hoavin’ny taranany. Nabaribarin'izy ireo tamin'ny alalan'ny sorabaventy nandritra ny fitsenana ny filohan’ny Fanavaozana hanatrika ny Festival Tsapiky tao Toliara izany ho fanehoana ampahibemaso ny fitakian'ny vahoaka. Santionan'ny sorabaventy hita ny hoe : “Ajanony Vara Mada io Prezida azafady !" ... Nifanin-dalana tamin'izany koa ny fitakiana ny hamerenana amin'ireo nanamaintimolaly ny tany ao Bas Mangoky.
Jean D.
Santionany tamin'ny sorabaventy hita nandritra ny fahatongavan'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Michael Randrianirina tao Toliara
 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

Fanjakana mariboninahitra i Tirike

Card image cap
20-avril-2026

tamin'ny alalan'ny ody gasy ?

Card image cap
17-avril-2026

an-tanana ao Inde

Card image cap