tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Wakawaka Festival Ho avy eto Madagasikara i Grand P

Ho avy eto Madagasikara i Grand P ilay mpihira, mpanao hatsikana, ary influanceur malaza be ao Guinée. Ao Sambava izy no hivantana mandritra ilay Concert Caritatif hotanterahiny ao anatin’ilay Festival Wakawaka ny 04

04-nov-2022

Sample post image

Desambra ho avy izao. Ny vola azo avy amin'izany dia entiny hananganana sekoly ao Sambava raha araka ny fantatra hatrany. Andrasana kosa ny fiaviany eto Antananarivo sy Toamasina aorian’io diany any Sambava io. Tsiahivina moa fa lehilahy lehibe efa 32 taona i Grand P. Tamin’ny 11 Oktobra taona 1990 izy no teraka tao Guinée.Tratran'ny aretina antsoina hoe : 'Progéria' izy fony fahakeliny antony nanakana ny fitomboany ka nahatonga ho toy ny zazakely 12 taona. Niharan'ny fanilikilihana sy eso isan-karazany izy vokatr’izany, antony nanangana ny Fondation GRAND P izay entiny hanampiana ireo olona manana olana tahaka azy ihany koa. Akany fitaizana zaza kamboty maro aty Afrika no efa ampiany sy tohanany amin'izao fotoana izao tahaka ny ao Guinée, Cameroun, Côte d'Ivoire….
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus