Daty manan-tantara ho an’i Madagasikara ny 14 Oktobra 1958, nahaterahan'ny Repoblika Malagasy. Tsiranana Philibert, izay zanaky ny Faritra Sofia, no Filoha voalohan'ny Repoblika Malagasy tamin'izany. Nanapa-kevitra ny Fitondrana Fanavaozana ny hankalaza ny 14 Oktobra ho Fetim-pirenena Malagasy, manomboka amin’ity taona 2026 ity ho famohazana ny tantaram-pirenena, fanamafisana ny hambom-pirenena ary fampiroboroboana ny fitiavan-tanindrazana. Ao amin'ny Faritra Sofia no hisantarana ny fankalazana sady mifanojo indrindra amin'ny tsingerintaona voalohany nanafahan'i Kol Randrianirina Michaël ny vahoaka Malagasy tamin'ny fangejana lalina teto amin'ny Firenena io 14 Oktobra io. Ho avy any an-toerana ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kol Randrianirina Michaël amin'io. Hanomboka amin’ny fananganana sainam-pirenena Malagasy ny fankalazana ny 01 Oktobra, ary hitohy hatramin’ny 17 Oktobra ny hetsika. Tonga tao Antsohihy, ny 20 Septambra 2026, ny Komity Nasionaly nahitana ireo solontena avy amin’ny Fiadidianan'ny Repoblika, ny Primatiora ary ny Governemanta. Niara-nametraka ny lamina rehetra tamin’ny Komity eny ifotony, tarihin’ny Lehiben’ny Faritra Sofia, Djaosera Irénée ho fanomanana izany fankalazana manetriketrika izany. Nidina ifotony ireo toerana hotsidihana sy misy fotodrafitr'asa hotokanan'ny Filoha Kol Randrianirina Michaël ao Anjiamangirana sy Anahidrano. Nomena toromarika koa ny hanafainganana ireo asa fanatsarana ny fiainam-bahoaka, anisan'izany famatsiana rano fisotro madio eto Antsohihy sy ny lalana, sns.
Jean D.
Solontenam-panjakana tonga hanomana ny fankalazana ny 14 oktobra any Antsohihy