airtel

Politique

Sao dia efa tsy rariny/ Ataon'ny fanjakana fitadiavam-bola ireo kandida ?

16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Hamaky ny tohiny

Depiote Todisoa Andriamampandry/ Nafana ny hetsika nisaorana ny vahoaka, mitohy ny ezaka

16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Hamaky ny tohiny

RADO RAMPARAOELINA/ « Tena nohasarotina be ara-taratasy amin’ny fifidianana »

16-sept-2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana

Hamaky ny tohiny

Politika sy fifidianana/ Mamofompofona rotaka…

16-sept-2024

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao telo andro tsy hifanaranan’ny fe-potoana hitsaharan’ny fametrahana antontan-taratasy izao.

Hamaky ny tohiny

Voasakana ny firotsahan-dRavalo hatreto/ « Tsy hanaiky hatramin’ny farany, mahatoky ny vahoakan’Iarivo»

16-sept-2024

Mihamafy ny fifandirana eo amin’ny fitondrana Rajoelina sy ny vondron’ny mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny

Ben’ny tanànan’Antsiranana mbola kandida/ Nohelohina higadra 5 taona an-tranomaizina

16-sept-2024

Nilatsaka ny didy ho an’ny ben’ny tanànan’Antsiranana I Atoa Dzavojozara Jean Luc.

Hamaky ny tohiny

Dr Tiana Zhy/ « Betsaka ny mpanao politika eto fa vitsy ny tena mahay »

16-sept-2024

Betsaka ny mpanao politika eto Madagasikara hoy Dr Tiana Zhy Andrianarisaina mpandinika

Hamaky ny tohiny

Tafapetraka ny firotsahan-kofidian-dRavalo/ « Tsy avy aminay raha misy korontana eo »

12-sept-2024

Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo lisitra mpanolontsaina miisa 58 tarihiny

Hamaky ny tohiny

Rivo Rakotovao/ Kandidan’ny Firaisankina ao Mahajanga I

12-sept-2024

Nanamafy ny resaka nandeha ny haha kandida ben’ny tanàna azy i Rivo Rakotovao omaly.

Hamaky ny tohiny

Hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanana / isika ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao.

12-sept-2024

Anisan’ny fifidianana tena manakaiky vahoaka izy io noho izy miantoka ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny

Teti-dratsy ara-politika sy ara-pifidianana/ Tsy ho raikitra na ho kandida tokana ny ankamaroany…

12-sept-2024

Miditra amin’ny herinandro faharoa androany ny fotoana hahafahan’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny
Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.

voir plus