airtel

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.

07-janv-2021 11:00

OTME : Voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Office des Transmissions Militaires de l’Etat », izay eo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Général de Brigade Rafidimanana Teddy Françis, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fiarovam-pirenena.

07-janv-2021 12:00

Fifidianana loholona: Namoaka ny vokam-pifidianana ofisialy ho an'ny fifidianana Loholona ny HCC androany. 10 no toerana azon'ny Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina (IRMAR), nahazo toerana 2 kosa ny Malagasy Miara-Miainga (MMM).

07-janv-2021 13:00

Loholona: Nahena ho 18 ny isan'ny Loholona, miandry ireo 6 hanampy azy ireo izay ho tendren'ny Filoham-pirenena izany. Antananarivo : Herimanana Razafimahefa (IRMAR) et Andrianantenaina Michel Rakotondrainibe (MMM) ; Antsiranana : Mino Avizara Seramila (IRMAR) et Eddie Serge Fernand (IRMAR) ; Fianarantsoa : Raymond Rasolondratsimba (IRAMR) et Jean Paul Nicolas Rabemananjara (IRMAR) ; Mahajanga : Alidy Bin Soufou (IRMAR) et Odilon Tiandaza (IRMAR) ; Toamasina : Sidonie Raharinirina (MMM) et Manasoa Donat Tang (IRMAR) ; Toliara : Neypatraiky Jean André Rakotomamonjy (IRMAR) et Jean Marcel Eongombelo (IRMAR).

07-janv-2021 14:00

Orinasa afaka-haba : Misedra olana vaovao indray ny mpiasan'ilay orinasa afaka-haba JOUVE Madagascar, nirehitra ny herinandro lasa teto Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra. Ny Alatsinainy lasa teo raha tonga namonjy ny toeram-piasany ireo mpiasa, dia zendana rehefa nilazan'ny tompon'andraikitra fa hifindra any Antananarivo ny orinasa, ka izay mbola te hiasa dia manaraka azy ireo. Nitaky ny handoavana ny vola manandrify azy moa ireo mpiasa mialoha izay hialan'ny orinasa ao Antsirabe. Etsy ankilany dia nahatezitra ireo mpiasa ihany koa ny resaka aelin’ny sasany milaza fa ireo mpiasa nalefa "chômage technique" no nandoro ny toeram-piasany, izay tsy mitombona satria ao anaty tamboho avobe no misy ilay orinasa, no sady misy mpiambina koa izany. Misesy ny fandroahana mpiasa ankolaka amin'izao fotoana, taorian'ny nampamaivay ny valanaretina Covid-19 iny satria saika itrangan'izany avokoa ireo orinasa afaka-haba aty Antsirabe.

06-janv-2021 00:00

Pôlisim-pirenena: Asa tsy natokana ho an’ny lehilahy irery intsony ny asana pôlisy. Raha ny fantatra mantsy dia misy dia misy tokoa ireo andriambavilanitra no mirotsaka hanatevin-daharana ity asa ity, rehefa misy ny fifaninanana. Eo amin’ny 10% eo ho eo no voaray, raha ny fantatra hatrany. Efa nanomboka nisokatra kosa anefa ny fifaninanana handraisana ho mpianatra “commissaires de police, officiers de police, inspecteurs de police” ary “agents de police”, ho an’ny taona 2020 - 2021. Raha ny nambaran’ny pôlisim-pirenena dia mifarana amin’ny 20 janoary 2021 ny fametrahana ny antontan-taratasy amin’izany.

06-janv-2021 01:00

Fidirana ho polisy: Ho an’ireo izay maniry ny handray anjara dia afaka manatona ny “service central de recrutement”, ao amin’ny “direction générale de la police nationale” eny Anosy izy ireo, ho an’ireo eto Antananarivo; ary eny amin’ny “direction régionale de la sécurité publique” isa-paritra kosa, ho an’ireo any ivelan’Antananarivo. Marihina fa manomboka amin’ny fari-pahaizana BEPC dia efa afaka mirotsaka ho “agent de police” ary eo amin’ny salan-taona 21 hatramin’ny 30 taona. Hahafahana mirotsaka ho “inspecteur de police” kosa ny diplaoma Bakalôrea, ho an’ny salan-taona 21 hatramin’ny 35 taona. “Officier de police” ny Bacc+2; “commissaire de police” kosa ny Bacc+4. Ho an’ireo mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso ny 034 05 529 43, laharan’ny « Service central du recrutement ».

06-janv-2021 02:00

BELO/TSIRIBIHINA: Ankoatra ny fanamboarana fotodrafitrasa iarahana amin`ny fitondrana foibe dia hatao ho vaindohan-draharana ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana, hoy Eugène Rajaofera, lehiben`ny distrikan`I BELO/TSIRIBIHINA.

06-janv-2021 03:00

MAKA ALPHONSE - FILOHAN'NY CFM: “Mahatratra 39°C hatrany amin’ny 40°C ny hafanana, ary eo ihany koa ny tsiomena na rivotra mifofo tsy hifankahitana any Atsimo. Mitohy sy miha mahazo ny kere. Tsy manan-kohanina ny olona, ny biby fiompy atao vary boba ka raha mivarotra omby vositra iray dia zara raha mahazo”, hoy ny Filohan’ny CFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy Atoa Maka Alphonse omaly. Nanambara moa io rafitra io, fa mijery sy manao fanadihadiana ny zava-misy any Atsimo. “Misy ny tonga any Menabe, Faritra Mahajanga, Antsiranana ireo olona mifindra monina. Misy ny tsy manam-bola intsony ka mandeha tongotra miaraka amin’ny fianankaviana, fa ao ihany koa ny maty an-dàlana, fa tsy mbola anananay ny antontan’isa feno, hoy i Maka Alphonse. Efa voa mafy izy avy any, ka vao mahazo hanina kely dia vao mainka mitera-doza”, hoy hatrany ny fanazavany. Nanao antso avo amin’ny hanampiana ho an’ireo izay afaka manao izany moa ny CFM eo anatrehan’ny zava-miseho any Atsimo.

06-janv-2021 04:00

FANAMPIANA TETIKASA FIRANGA: Nanara-maso ny fahatongavan'ny andiany voalohany amin'ny fanampiana ara-tsakafo avy amin'ny tetikasa Firanga tohanan'ny USAID Madagascar izay tonga tao Toliara ny Mpanolontsaina voalohan'ny Masoivoho Amerikana Tobias Glucksman ny 30 Desambra 2020 lasa teo.Sakafo sy menaka mihoatra ny 271 000 kilao no natoby ao amin'ny trano fitehirizana ary ampahany ihany izany. Sakafo fanampiny mihoatra ny 7000 taonina no ho tonga afaka volana vitsy hanampiana ireo olona ianjadian'ny haintany any atsimo.

06-janv-2021 05:00

Minisitry ny fahasalmam-bahoaka: “Tsy misy hatahorana ny hampiakatra be indray ny olona voan'ny COVID-19 eto amintsika” hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Dr Jean-Louis Rakotovao. Tsy azo heverina araka izany ny hisian'ny fihibohona indray. Raha misy risika anefa na trangan-javatra hafa dia hanao izay tokony atao ny Minisiteran'ny fahasalamana amin'ny alalan'ny "Operation coup de poing".

06-janv-2021 06:00

Ambondro Ambovombe Androy: Olona dimy no maty vokatry ny kere tany Androy. Zaza roa no lavo tao Ambondro Ambovombe. Ilay Renim-pianakaviana kosa dia tena mbola reraka tanteraka noho ny hanoanana mahazo azy. Ankoatra izay dia nisy olona 3 hafa (raim-pianakaviana sy zanany 2) fantatra fa matin'nykere. Niala tao an-tananany hitady ravinahitra any Sahanalo izy ireo ary maty teny an-dalana noho ny hanoanana.

06-janv-2021 07:00

Angletera: Miverina mihiboka mandritry ny 3 volana indray i Angletera manomboka androany 06 janoary, araka ny fanambaran'ny Praiminisitra angilisy Boris Johnson ny 04 janoary 2021. Niverina nirongatra indray mantsy ny COVID-19 satria nahatratra 58 784 ny tranga vaovao. Mikatona avokoa ny sekoly, ireo feno 70 taona dia mitsindrona avokoa. Vakisiny roa novokarin'ny Pfizer BioNTech sy AstraZeneca Oxford no hatsindrona satria ireo no efa nahazo fankatoavana.

06-janv-2021 08:00

Ministeran'ny fampianarana ambony : Nanao fanambaràna ny ministeran'ny fampianarana ambony fa eo ambany fiadidiany tokoa ny Foyers Universitaires Malgaches na FUM ao Arago sy Cachan any Frantsa, ary ao anatin'ny velirano faha telon'ny filoham-pirenena ny fanavaozana sy fanatsarana ny rafipitantanana, ka anisan'izany ny fanavaozana ireo mpiasa any an-toerena. Manamafy kosa anefa ity fanambaràna nosoniavin'ny Sekretera jeneralin'ny ministera ity, fa tsy nifandray tamin'ny fikambanana "Tous Ensemble pour Madagascar" na TEM any Frantsa, ary tsy mbola nametraka tolotrasa teo anivon'ny ministera ny TEM, ny ministera rahateo nilaza fa tsy mbola nisy tolotrasa mahakasika izany nataony. Marihin'ity fanambaràna ity fa ny TEM dia fikambanana toa ny fikambanana rehetra, ary tsy manana rohy manokana amin'ny ministera. Manamafy ny ministera fa tsy maintsy manaraka ny fepetra voarakitry ny lalàna ny fampidirana sy fanoloana ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana ambony.

06-janv-2021 09:00

MPIANATRY NY ENS: Manohy ny fitakiana ny hampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana ireo mpianatry ny Ecole Normale Supérieure (ENS) Ampefiloha ka nidina an-dalambe izao maraina izao.Miaraka amin'ny sora-baventy izy ireo milaza hoe :"Président oooo, omeo poste izahay".Misy ny fandoroana kodiarana eo amin'ny arabe.Efa misy mpitandro filaminana tazana eny an-toerana.Olona 2 no fantatra fa voasambotra hatreto.

06-janv-2021 10:00

Filankevitry ny governemanta: Androany alarobia 06 janoary 2021 no nanatanterahana ny filankevitry ny governemanta voalohany amin'ity taona ity. Ity fivoriana ity moa no fivoriana voalohany izay niarahaban'i Praiministra ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta. Ho fiarahabana azy noho ny fahatratrarany ny taona vaovao ihany koa dia notoloran'ireo Ministra fanomezana i Ntsay Christian.

06-janv-2021 11:00

AMPEFILOHA: Tafiakatra 08 ireo voasambotra amin'ilay fihetsiketsehan'ny mpianatry ny ENS eny Ampefiloha.

06-janv-2021 12:00

Fambolen-kazo: Sarobidy ny fambolenkazo satria natao hanarenana ny ala simba. Hazo zanatany ihany no averina ambolena. Natao ihany koa hamaly ny filàn’ny olombelona amin’ny andavanandro ary miantoka ny fivelomany. Ohatra atao angovo, fandrehitra, asa tànana, tao trano, fanaka…

06-janv-2021 13:00

Vidin-tsolika: Tsy nihetsika ny vidin-tsolika teto Madagasikara nandritra iny taona 2020 iny ary didy efa nihatra tamin`ny volana jona 2019 no nampiharina. Tsiahivina fa nisy ny fiakaran`ny vidin-tsolika teo amin`ny tsena iraisam-pirenena teo amin`ny faraparan`ny taona 2019 fa tsy nihetsika kosa ny teto Madagasikara noho ny fitsinjovana ny mpanjifa. Izany dia miteraka ny atao hoe “passif” izay nahatratra 170 miliara ariary tamin`ny volana desambra 2019. Na dia nisy aza ny fidinan` ny vidin-tsolika teo amin`ny tsena iraisam-pirenena tamin`ny volana martsa 2020 noho ny fisian`ny valanretina COVID-19 dia tsy mbola nihetsika ny vidiny teto Madagasikara noho ny fisian`izay “passif” izay.

06-janv-2021 14:00

OMH: “Ao anatin` ity volana janoary sy ny febroary dia tsy hihetsika vidin-tsolika eto Madagasikara. Ny tahirin-tsolika nafarana tamin`nyt volana novambra sy desambra no ampiasaina izao. Mila fitandremana, araka izany, ny telo volana fahatelo” raha ny fanamarinana izay nataon`ny tale jeneralin`ny Ofisy Malagasy mitantana ny vookatra ara-tsolika (OMH), Olivier Jean-Baptiste. Tsara no manamarika fa mari-drefy iray mamaritra ny vidin-tsolika koa ny sandan`ny fifanakalozana ara-bola ary marihana fa nihen-danja ny ariary raha oharina amin`ny dolara.

06-janv-2021 15:00

Fanjifàna solika: Nihena 18% izany ny taona 2020 raha oharina tamin`ny taona 2019. Raha tsy misy indray ny krizy ara-pahasalamana vaovao dia heverina fa tokony hiverina amin`ny fampiasàna solika tamin` ny 2019 ity taona 2021 ity.

06-janv-2021 16:00

Governemanta Ntsay: Miroso hatrany miaraka amin`ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny governemanta izay tarihan` ny praiminisitra Ntsay Christian miatrika ireo fanamby amin`ny taona 2021 na teo aza ny krizy ara-pahasalamana ny taona 2020. Manaiky hanaraka ny toromarika sy fanitsiana ary soso-kevitra rehetra ataon` ny filoha Rajoelina ary hanatsara ny fomba fiasa izy ireo. Vonona ary manome toky fa hiara hiasa amin` ny filoha amin`ireo asa miandry amin`ity taona ity. Manentana ny mpikambana eo anivon`ny governemanta kosa ny praiministra Ntsay mba hampanjaka ny fahamarinana ihany koa. Namafisiny fa vonona hanohy ny ezaka sy hampiseho fahaiza-manao ny rehetra, amin`izay asa iampandraiketan`ny filoha azy ireo.

06-janv-2021 17:00

Mialy Rajoelina: Nankasitraka sy nitondra firarian-tsoa ho an` ny Filoham-pirenena mivady moa ny mpikambana eo anivon` ny governemanta tetsy Iavoloha. Notsindrin` ny praiministra Ntsay manokana ny fafohizan-tena sy ny fanohanana govana nataon` ny vadin`ny filoha, Mialy Rajoelina, tamin`ireo asa nataony eo amin`ny lafiny ara-tsosialy toy ny ady amin` ny kere, sns…

06-janv-2021 18:00

Fifidianana loholona: Rahampitso 07 janoary no hamoaka ny anaran`ireo loholona vaovao miisa 12 lany tamin`ny fifidianana loholona tamin` ny 11 desambra 2020 ny eo anivon` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).

06-janv-2021 19:00

Fanendrena loholona: Manana 15 andro aorian`ny famoahana ny voka-pifidianana loholona havoakan`ny HCC ny Filoham-pirenena hanendrena ireo senatera 6 ambiny.

06-janv-2021 20:00

Fe-potoam-piasan` ny loholona am-perinasa: Aorian` ny fivoriana ny mpikambana vaovao eo anivon` ny Antenimierandoholona no tapitra ny fotoam-piasan` ireo loholona am-perinasa miisa 63 izay tarihan` ny Filoha Rivo Rakotovao. “Rehefa feno ny olona voatendry dia mandingana talata roa dia aorian`izay no mivory voalohany hanangana ny birao maharitra sy hifidy ny filohan`ny Antenimierandoholona”, hoy ny filohan`ny Antenimierandoholona. Araka izany dia manampitra fotoam-piasana ara-dalàna ireo loholona 63.

06-janv-2021 21:00

Hery Vaovaon`I Madagasikara: Nanana ny maro an` isa teo anivon`ny Antenimierandoholona ny antoko Hery Vaovaon`I Madagasikara dia nanamafy ny mpikambana ao amin`ity antoko ity, Rivo Rakotovao, fa tsy handray anjara ao anatin`ny Antenimierandoholona vaovao izy ireo. “Ny HVM amin`ny maha mpanao politka azy dia tsy hanaiky ny fomba nanatanterahina io fifidianana io. Tsy amin`ny maha fifidianana azy. Tokony atao dia tsy tokony ho banga ny toerana teo amin`ny firenena. Mahafanatatra mialoha izany nefa dia misy lalàna notsinotsinoavina sy nohitsakitsahana. Ny HVM dia mijoro tsy nandray anjara ary tsy nampandray anjara ny resaka fifidianana.”

06-janv-2021 22:00

Fifidianana filoham-pirenena 2023: Nosoritan`ny filohan`ny Antenimireandoholona fa ny antoko HVM dia miomana amin`ny fifidianana filoham-pirenena izay atao amin`ny taona 2023.

06-janv-2021 23:00

Rivo Rakotovao: Mbola mizaka ny fiantraikany ny krizy ara-pahasalamana I Madagasikara ary mipaka mivantana eo amin`ny toekarena sy ara-tsosialy. Tokony ataon`ny fanjakana laharamapahamena ny tombon-tsoan`ny firenena , hoy Rivo Rakotovao, filohan`ny Antenimierandoholona.

06-janv-2021 05:00

Etazonia: Lany Filoham-pirenena Amerikana i Joe Biden araka ny vokatra ofisialy navoakan'ny Kôngresy androany. Ny filoha lefitra Repoblikana, Mike Pence no namoaka ny vokatra ofisialy farany ka 306 no vato azon'i Joe Biden raha toa ka 232 ny an'I DonaldTrump. Ny 20 janoary izao no hanao ny fihanihanana i Joe Biden, filoha faha-46 hitondra an'i Etazonia.