raharaham-pirenena, nisian’ny sakoroka sy fitifirana tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey rehefa nisy ny hetsiky ny Depiote 73 niombonan’ireo solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny Antoko TIM sy MAPAR. Hetsika politika novoizina mafy tamin’izany fotoana fa kihon-dàlan’ny tantara, nentina nanoherana ny ambara fa kajikajy politika maloto rehefa misy fifidianana, nanoherana ny fikasan’ny Fanjakana Rajaonarimampianina hanakana ny firotsahan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ho kandida Filoham-pirenena. Nifampitantana teny an-kianja ny mpifahavalo politikan’ny 2009, ka isan’ny niavaka tamin’izany ny hoe : tsy ho mpifandrafy fa mpifaninana amin’ny fifidianana. Nafana ny hetsiky ny depiote 73, henjana ny fanenjehana nentina nanongana ny Fanjakana Rajaonarimampianina, teraka ny sakoroka tamin’ny alalan’ny fitifirana vahoaka, ka nahafatesana olona 3 teo nandritra ny fihetsiketsehana ny 21 aprily 2018. Resy tosika ny Fanjakana, rava ny governemanta, voatery nizara seza tamin’ny TIM sy ny MAPAR ny HVM,… Samy nanana ny kajiny tao anatin’ny fizarana seza, ka lasan’ny MAPAR ny Praiminisitra rehefa nolazaina fa manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena ireo, lasany ny toerana stratejika tao anatin’ny governemanta izay nanana andraikitra tamin’ny fifidianana, raha toa tany amin’ny Minisiteran’ny indostria no isan’ny lasan’ny TIM izay nisy nandika izany ho kajy ara-toekerana nahafahan’ny Orinasan’ny filoha teo aloha niodina. Nandeha ny fifidianana Filoham-pirenena taorian’izay, dia raikitra indray ny fifampiampangana sy fifanenjehana mafy noho ny kajikajy sy hala-bato, saingy nanaiky resy ihany ny andaniny avy eo. Lasa mpiara-dàlana indray ny TIM sy ny HVM taty aoriana, rehefa lasan’ny volomboasary ny fitondrana.
AIZA ISIKA IZAO ?
Raha nolazaina fa kihon-dalana politika lehibe ny tolon’ny depiote 73, lalana makany amin’ny fahalalahan’ny demokrasia, dia zary lasa sary indray mipika, tolona politika ho ana tombotsoan’olom-bitsy ihany,… fa ny omaly tsy miova ilay fanaovana politika, matimaty foana natao sorona toy ny efa hita hatrizay ireo mpitolona. Vao mainka mihemotra ara-demokrasia isika, ka ireo depiote izay ambaran’ny lalàmpanorenana amin’ny andininy faha-69 fa « depioten’i Madagasikara » aza lasa tsy mahazo manao tatitra amin’ny vahoaka afatsy any amin’ny « distrika nahalany azy » araka ny andininy faha-207 amin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena. Ny volomboasary no nanao ireo lalàna roa mifanipaka ireo. Izao tsy misy afaka mandingana eny amin’ny 13 mey intsony raha vao hetsika politika, raha nalalaka hatramin’ny fametavetana tamin’ny filanjana vatam-paty ny Filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ireny? Tamin’izany no nanakianan’ny depiote MAPAR toa an-dry Tinoka Roberto mafy ny tetikasa Base Toliara nolazaina fa manoatra lavitra an’i Hitler ny Filoha tamin’izany dia aiza izany izao ? Fanaon’ny Afrikanina na Firenen-kafa ny milanja sora-baventy rehefa misy filohan’ireo Firenen-dehibe mandalo fa eto amintsika lazaina fa fanalam-baraka Firenena ka mandeha ny fandrahonana fisamborana !? Atao mahagaga ve raha milaza fa leo politika noho ny fanaovana fitaka sy tohatra fiakarana lava ny vahoaka ? Mila manova isika !
Toky R
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,
Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,
Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony