airtel

Politique

14-mai-2025

Akaiky ny fifidianana loholona

Raofina ny volan'ny kaominina fa alaina ny fon'ireo Ben'ny tanana...

Sample post image

Tokony hisy fifidianana loholona amin'ny faramparan'ity taona 2025 ity,

14-mai-2025

raha hajaina ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ireo mpikambana etsy Anosikely ankehitriny. Efa tsapa sy tsikaritra ihany ny fihetsiketsehana politika fiomanana amin'izany, toy ny famoriana sy fanofanana Ben'ny tanana nataon'ny loholona sasany toa an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Stratejika be rahateo ny fahazoana ny fon'ireo Ben'ny tanana sy mpanolotsain'ny tanana izay voafaritra anatin'ny mpifidy vaventy hifidy ireo loholona. Efa mandeha ny fandrisihana etsy sy eroa amin'ny fananganana fikambanan'ny Ben'ny tanana,... Zava-dehibe saingy manomboka misisika ny resaka fisintonana ireo Ben'ny tanana tsy miankina hiditra ho volomboasary! Ny resaka fanavakavahana mivantana na ankolaka amin'ny fisitrahana tombotsoa avy amin'ny Fanjakana ho an'ireo kaominina izay nandresen'ny antokon'ny fanoherana moa efa tsy vaovao intsony. Ho avy ny fifidianana dia mandeha ny fihatsaram-belatsihy politika hakana ny vaton'ireo olom-boafidy eny ifotony. Miharihary anefa fa ny Antenimierandoholona izay lazaina fa mpiahy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana raha io amboletran'ny Fanjakana Foibe hitango ny hetran-trano (IFPB) sy hetran-tany (IFT) io. Lany tao Anosikely ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana manova ny fomba fitakiam-bola. "Tsy misy afaka manampy ireo kaominina amin'ny resaka fampandrosoana ankoatra ny fitondram-panjakana", hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Tokely Justin ny faran’ny herinandro teo, raha nametraka ny samboadin'ireo ben'ny tanana tany Marovoay. Nolazaina fa ilaina ny fiaraha-miasa eo amin'ny Ben'ny tanàna sy ny fanjakana mba hanatrarana izay fampandrosoana izay. Nisolo tena ny Filohan'ny Repoblika ny minisitry ny Tanora sy y Fanatanjahantena izay sady mpiahy ny faritra, ary notronin'ireo olom-boafidy tany an-toerana. Ekena, tena ilaina ny fiaraha-miasa, saingy raha tena mijery ny tombotsoan'ny kaominina tsy lany tao Tsimbazaza ny famadihana ny hetran-trano sy hetran-tany hotangosan'ny Fanjakana Foibe, kanefa ny fanohanana na "subvention" ho an'ny kaominina izay 30 tapitrisa Ar isan-taona dia averina foana fa 80 mahery kely ho an'ny kaominina 1695, tsy ampy tetibolana minisitera iray akory. Dia izany ve no fitantanana mahomby sy Fanjakana tsara tantana ? Izay ilay fitsijaram-pahefana andrasan'ny vahoaka ? Famonoana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no ataon'ny Fitondrana Rajoelina kanefa izao ireo Ben'ny tanana hotambazana ihany hahazoana ny vatony. Ny lojikan'izao, tsy hahazo loholona maro an'isa ny volomboasary saingy iaraha-mahalala moa ny mikimaky politika, fividianana olona mivantana na ankolaka, fandrahonana,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap