amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny depiote Alain Ratsimbazafy. Tafapetraka omaly tetsy amin’ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des Candidatures) ny taratasy firotsahan-kofidiany sy ireo lisitra miaraka aminy, ahitana an-dRandrianaly Arson Daniel (Pastora FLM Ambohimasina Itaosy) lisitra faharoa, Ravoajanahary Rivo Nandrianina (Mpitarika tanora Atsimondrano) lisitra fahatelo, ary Ranaivo Jonnah (Pasteur FJKM Ambohijafy Fenoarivo) lisitra faha-4. Mirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleo tena izy ireo, ary nanao be fiavy tetsy 67Ha ny ampahan’ny solontenan’ny vahoaka mpanara-dia azy. « Amiko dia ny vahoaka no andriamanjaka, ny vahoakan’Atsimondrano sy ireo Raiamandreny sy vato nasondrotry ny tany no nangataka ny mbola hirotsahako. Noho izany dia tsy hiamboho adidy manoloana ny hetahetam-bahoaka ka mbola hijoro hatrany hitondra ny tenin’ny vahoaka, hiaro azy, ary indrindra hijoro hatrany amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ny fampanjakana ny demokrasia izay efa nitolomana, hitondra fanovana, ary mitohy mandrak’ankehitriny », hoy i Alain Ratsimbazafy. Manoloana ny hoe: vaky sy tapaka tanteraka ve izany ny fiarahana amin’ny Antoko TIM, dia ny vahoaka no nanolotra ahy, ka ny fotoana mamaritra ny fanontaniana hoe: manao ahoana ny mety ho fiarahana na fisarahana amin’ny antoko, hoy I Alain Ratsimbazafy. Nomarihiny fa manana adidy izy manoloana ny fangatahana sy ny hetahetam-bahoaka. Nahatsapa, hoy izy, ny vahoaka, tao anatin’izay naha depiote azy izay fa mbola ilaina ny mitondra ny feony, ny fanehoan-kevitra amin’ny fiarovana ny tombotsoam-bahoaka manerana ny Nosy fa indrindra ny ao Atsimondrano. « Amiko dia tsy nivadika tamin’ny vahoaka aho, ka izay no tazoniko”, hoy izy eo anatrehan’ny filazana azy ho mpamadika. Momba ny volavolan-dalàna sy fomba fiasa, dia ny antoko TIM no nahalany ahy, ka ny dikan’izay dia ny antoko mihitsy no mitondra ny volavolan-dalàna, fa manomboka eto dia ny tenako mihitsy no hijery manokana ny volavolan-dalàna, hoy izy. «Anisany ny mikasika ny fitsinjaram-pahefana satria hitako tena hitako mandringa sy antony ihany koa mampirindra tsara fampandrosoana », hoy izy. Naneho fa misokatra ho an'ny rehetra i Alain Ratsimbazafy, ary midanadana hoan'ny rehetra ny QG Bypass Imerimanjaka.
Toky R
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,
Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,
Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,
Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.