hoy ireo mpiaradia sy mpanohana ny Kandida laharana voalohany Raphaël Rakotozandrindrainy ao amin'ny distrikan'Ambositra faritra Amoron'i Mania. Miavaka ity kandida ity satria dia samy manohana azy ny Kôlekitifa an'ny Malagasy sy ny vovonana Firaisankina, raha fintinina dia ilay collectif des candidats 11 tamin'ny tolona 2023 izany no ao ambadiky ny Pr Raphaël. Mbola miampy ireo antoko sy fimbanana maro be , ireo mpandraharaha, olom-pirenena nahatsapa fa nahavita be izy tamin'ny naha ben'ny tanànan'Ambositra azy ary mbola atokisana fa hanao izay tena hanasoavana ny faritra Amoron'i Mania raha lasa depiote eo. Nifamotoana tamin'ny vahoaka tao Antampovinany ny Profesora Raphaël Rakotozandrindrainy sy ireo mpiray lisitra aminy ny sabotsy lasa teo.Tazana nanotrona azy nandritra izany ny Filohan'ny Antoko FTT, Tahina Razafinjoelina, sy Jean Jacques Ratsietison mpitarika ny FMI Malagasy . Samy avy ao amin'ny vovonan'ny Kôlektifa an'ny malagasy izy mianaka ireto. Tonga nanamafy ny fifanohanana sy ny fanohizana ny tolona ho an'ny fanovana . Azo hanohizana tsara ny tolona efa natomboka tamin'ny 2023 eny amin'ny antenimieram-pirenena ka hametrahana solombavambahoaka tena hiaro tokoa ny tombotsoa isam-paritra, hampita tsy misy fanodinkodinana ny hetahetam-bahoaka ary hanaramaso hentitra ny asan'ny governemanta.Nampitombo ny ambiansy tany an-toerana moa ny fanafanana ny fihaonana nataon-dry Oladad sy Da7.
Nangonin'i RTT
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia