airtel

Politique

09-mai-2025

Ampamoaka goavana, adin’ny samy matanjaka

Tonga masiaka indray i Kolonely Patrick, niditra ny Filohan’ny Sénat…

Sample post image

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

09-mai-2025

no notapahan-tenda voalohany tamin’ny raharaha fitsoahan’i Médecin colonel Patrick Rakotomamonjy, ka nesorina nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia 07 Mey 2025 teo. Isan’ny fanamarihana tao amin’ny pejin’ny Filoham-pirenena moa ny hoe : tsy azo ekena raha olona efa voasambotra izao no votsotra. Andaniny, niaro an’ity tompon’andraikitra ity ny Filohan’ny Antenimieranodoholona Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard. Nambarany fa natao fanadihadiana tao i Médecin Colonel Patrick, mbola nisy ny « présomption d’innocence », izy tsy nanao inona nandritra ny fanadihadiana raha ny feo azoko, hoy izy. Voalazany fa nisy fifamaliana teo amin’izy roalahy. Napetraka tao anaty birao manokana amin’ny maha manamboninahitra azy rehefa samy tony, nomena haja na nifamaly aza. Ny maraina no nilaza fa nafana tamin’ny mpiambina, sy ho any amin’ny toeram-pivoahana no nisaoty tamboho. « Mbola misy tompon’andraikitra, dia ny mpiambina, chef de division, chef de service, izay vao ny directeur. Raha izao zavatra izao, tokony ho nesorina hatramin’ny Minisitra sy ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena izay eo ambonin’ny Colonel Tahiana Ravelomanana, fa tsy ity DPJ ity izay eo anelanelany irery no nesorina tamin’ny toerany », hoy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nambarany fa nandairan’ny feon’ny mpanohitra sy mpanao « kidnapping » ny mpanapa-kevitra. Omeny tsiny ny mpitondra izay ny Filoha no isan’ny nilaza fa tsy ekena ny fahavotsorana ? Tahaka izany ihany koa ny olobe hafa mety nanome baiko na toromarika. Tsara ny mampahatsiahy, fa tao anatin’ny ampamoakan’i nataon’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy, dia misy ampahany maneho fa nitaraina tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona izy, olona mifandray tsara izany izy ireo mianaka. Toy izany ihany koa izy sy io tompon’andraikitra nesorina io, izay malaza fa olona mahatokin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Samy nisy rohy tamin’ity filohana andrim-panjakana ity izy miralahy raha raisina amin’ireo. Misy sangodim-panina politika sy stratejika ? Mety ho azo lazaina ho samy olona ao anatin’izay Fanjakana izao ihany koa izy telo mirahalahy? Iza no nanao iraka na « mission » ho an’iza ? hoy ny mpanara-baovao.
NITOHY NY AMPAMOAKA, NIANTSO FANENJEHANA…
Andaniny, nanohy ny ampamoaka sy ny fiampangany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy omaly. Nisaotra ny Filoham-pirenena sahy niteny fa tsy azo atao ny maka an-keriny na mitazona an-keriny vady aman-janaka. Niantefa tamin'ny minisitry ny fiarovana, ka nilaza fa tsy tokony hifampiteniteny resaka andiany amin’ny miaramila. Niantefa ihany koa tamin'ny Filohan'ny Antenimierandoholona, Jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana. "Mpianaka mpirahalahy mpinamana isika ka miangavy anao aho tsy hiteniteny foana, tsy haiko ianao ve no nanasonia ny "divorce" anay mivady. Be dia be ny zavatra nataoko anao na ny vady aman-janakao", hoy ity Kolonely ity. Niantefa indray tamin'ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. « Tsy mitondra fikomiana ny tenako, fa mitady fiovana, mitady ny fampiakarana an’i Mamy Ravatomanga sy Ando Bemaso informaticien », hoy ny tenany. Izy izay nanitrikitrika fa nampiasain’ilay mpandrahara matanjaka i Ando Bemaso mba hanao asa fitsikilovana hanarahana maso ireo mpandraharaha ara-toekerana toy ny mpanao lavanila, ny fananan-tany,… « Misy IGE (Inspection Générale de l’Etat) ao, ianao no afaka manome baiko manenjika an’ireo.

AMPAMOAKA MOMBA NY FITSABOANA SY VOLAM-PANJAKANA
« Eo amin’ny conquête Antanimena araka ny lohanom-baovao izay nohamariniko dia efa azon-dRavatomanga mpandraharaha matanjaka ihany koa hananganana clinique. Potehina ny hopitalim-panjakana, ny Hopitaly miaramila no voalohany, ny HJR, Befelatanana fa alefa any amin’ny Hopitalin-dRavatomanga ny vahoaka sy ny mpiasam-panjakana hisintonana sy hitrohana ny volam-panjakana », hoy hatrany ity Kolonely ity. Ao amin’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola, ny fandraisana mpiasa 300 millions, be dia be ny manao fitarainana,... Miantso ny hamoahana ny dosie rehetra nifanarahan’ny Pr Rakoto Fanomezantsoa mikasika laboratoara, resaka scanner,… izay nisy dokotera noterena nanao sonia fifanarahana fividianana scanner. Miangavy amin’i Andry Rajoelina ny hanolorana an-dRavatomanga amin’ny Fitsarana, miantso ny fianakaviam-be iraisam-pirenea hanokatra fanadihadiana sy hanao fanenjehana, hoy ity kolonely ity. Tantara mitohy ! Inona indray no mety ho setriny ? Iza no hotapahan-doha manaraka ? Inona no hiafarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Naneho ny heviny indray Pastera Joseph, mpandinika raharaham-pirenena no sady

Card image cap