airtel

Politique

05-mai-2025

Ampamoakan’i Kolonely Patrick

Mihotakotaka ny Fanjakana sy ny tafika !

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ka nanao ampamoaka goavana ny Kolonely Rakotomamonjy Patrick,

05-mai-2025

izay karohina noho izy voarohirohy ho nametraka ny « cocktail molotov » sy taratasy fandrahonana miantefa amin’Atoa Mamy Ravatomanga ary nisy hafatra ihany koa niantefa tamin’ny Filoham-pirenena. Ity farany izay namoahana fikarohana nanomboka ny 18 aprily, ka ny Fitondrana Malagasy no voalaza fa mpitory. Efa nisy olona 30 nohadihadiana, ka 3 nalefa any Tsiafahy, ary 2 nalefa any Antanimora, ka anisan’ireo ny vadin’io manamboninahitra io. « Misy criminel manao hazalambo olona tsy tia kolikoly eto amin’ny Firenena. Voalohany indrindra ny Minisitry ny foloalindahy ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, Atoa Mamy Ravatomanga,ka izaho tsy ataon’olona « criminel » ankety, izaho tsy maintsy miaro ny aiko », hoy kosa i Kolonely Rakotomamonjy Patrick izay DTA na Tale teknika lefitry ny Hopitaly Miaramila na ny CENHOSOA. Tsy mbola misy manerana an’izao tontolo izao olona atao ankety, dia olona « criminel » atao hoe Andry Bemaso no mibaiko sy manao « montage », hoy izy. Nanaitra an’i Andry Rajoelina ity Kolonely ity, fa ny olona manodidina ny Filoham-pirenena tafiditra ao anatin’io ingahy Ravatomanga, ny Minisitry ny foloalindahy ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin, ingahy Ravatomanga, dia ao anatin’ny kolikoly, ka enga anie tsy hiaro azy ireo ny Filoha sy ny Praiminisitra, hoy hatrany izy. Mampihotakotaka ny fitondrana ny ampamoakan’ity manamboninahitra ity, hany ka nisy avy hatrany ny takarivan’ny sabotsy teo ny Fivoriana teo anivon’ny Minisiteran’ny foloalindahy. Mafampana ny toe-draharaha any anaty lapa ankehitriny, mitombo ny fahasosorana na ho an’ny sivily na hatrany anaty tafika, raha tarafina amin’ity zava-misy ity sy ny akony azo avy any anatiny. Saropady moa ity resaka ity, saingy raha jerena ivelany fotsiny, matoa ity manamboninahitra ity tafavoaka teo anatrehan’ny mety fikasana hanagadra sy fifofoana aina araka ny nambarany, dia misy manohana sy manome loharanom-baovao, ary miaro mivantana na ankolaka. Naneho rahateo izy, fa vao nanomboka ny « garde à vue » dia efa misy miteny hoe : « mon conolel, mitandrema ianao fa makany makany Tsiafahy io, ary hovonoin-dRavatomanga ianao ». Ny 14 aprily maraina ny voalaza fa voasambotra i Médecin colonel Rakotomamonjy Patrick no voasambotra, ary notazonina tao amin'ny Toby Ratsimandrava. Ny 16 aprily tamin'ny 5 ora sy sasany maraina izy tafatsoaka. Sarotra ny hino fa tafatsoaka tamin’ny herim-pony manokana, fa mety nisy niaro sy nanampy azy mivantana na ankolaka mazava ho azy,…
AMPAMOAKA GOAVANA
Nambarany fa nisy kolikoly avo lenta tratrany tao amin’ny CENHOHSOA, ka nilazany fa hatramin’ny naha DTA azy tamin’ny septambra 2023 dia niakatra be ny fampidiram-bolan’ny hopitaly. « Betsaka ny hosoka tratrako, betsaka ny tapatapa-tenda sy verivery tombotsoa amin’ny hosoka, ka nivoaka ny feo fa mila halana i DTA fa manelingelina », hoy ity farany izay naneho fa nandefa fanazavana an-tsoratra tany amin’ny Filoham-pirenena sy Praiminisitra, rehefa nisy fampanantsoa any Fitaleavana ka nisiana baiko mba hanalana azy tsy ho DTA 3 volana lasa izay. Tsy nesorina moa ity farany. Nanonona anarana manamboninahitrahafa, ka ny fitaleavana jeneraly teo aloha Rakoto Fanomezantsoa sy ny neveu-any, Kolonely Finiavana Andrianasolo dia mbola manana dosie amina miliara, hoy izy. Misy dosie 400 tapitrisa Ar any amin’ny « contribution » vola tsy hita, vola nangonina tamin’ny latsakemboky ny mpiasa, tsy nahazo fisotroan-dronono, mbola misy fitoriana any amin’ny Fitsarana,... Nanaitra ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra noho izany ity farany amin’ny Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
FITONDRANA MIARAMILA, FANONGANANA AN-DRAJOELINA, FANAIRANA NY IRAISAM-PIRENENA
Nambaran’ny Kolonely Rakotomamonjy Patrick fa nikasa hanangana fitondrana miaramila na « Directoire militaire » ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga sy ny Minisitry ny foloalindahy. « Atoa Ravatomanga, fantatro, fantatray, ary manamboninahitra maro izahay no mahafantatra, fa ianao dia niantso ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin hanangana « directoire militaire » tamin’ireny sahotaka fiandrasana ny fifidianana filoham-pirenena », hoy izy. Nivoaka hatramin’ny raharaham-pifidianana toa manamarina an’ilay fampiasana mpitandro filaminana hifidy. « Tsy haiko izay tsikombakombanareo, ny zana-drahalahiko izay kapiteny tanora vao erotrerony, saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Ivandry, nirahinareo nandeha nifidy nitondra bileta efa voamarika. Nisy depiote Fetra izany namoaka an’izay, ary izaho niantso ny lehibe dia niteny ny lehibe hoe nisy naniraka izany. Nihazakazaka teny Betongolo nahita zandary be dia be dia hoe angaha manao « police éléctorale » dia hoe : ireo ilay nafarana avy any amin’ny faritra hifidy ka manaiky izany ve ny HCC sy CENI », hoy ity farany. Niantso ny « corps diplomatique » eto amintsika sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ity manamboninahitra ity fa voadidina jiolahy, mpanao kolikoly avo lenta, tsy matimanota indrindra fa amin’ny ara-bola eto amin’ny Firenena. Miantso ny sehatra iraisam-pirenena hijery sy hiaro ireo marefo eto eo anatrehan’ny ambarany fa kolikoly, fandrahanonana, fifofoana aina,… Andrasana izay mety valin-kafatry ny andaniny sy ny ho tohiny !
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap