airtel

Politique

21-nov-2023

Andry Rajoelina

Manorin-trano ambony honahona

Sample post image

Tsy nisy afa-tsy 30% n'ireo mpifidy voasoratra anarana eto amin'ny faritanin'Antananarivo izay be

21-nov-2023

mponina indrindra no nandeha nandrotsa-bato ny 16 novambra lasa teo. Manodidina ny 62% no vato azon'i Andry Rajoelina, 20% ny an'i Marc Ravalomanana izay tsy nanao propagandy ary 9% ny an'o Siteny Randrianasoloniaiko. Tsy misy fahagagana hitranga eto fa dia mandresy i Andry Rajoelina ary ho vitany izany ny 1er tour dia Vita amin'ity indray mitoraka ity.
NY BE MPONINA NO TSY NIFIDY
Tsara ho marihana anefa fa eto Antananarivo no ambohim-pihaonan'ny Malagasy rehetra, avokavoky ny fandraharahana sy ny indostria , ny varotra ary ny toekarena.Misy ny foiben'ny fitantanan-draharaham-panjakana.Toerana niaingan'ny tolona rehetra nanova fitondrana teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tena hoe avokavoky ny toekarem-pirenena. Mazava tsara anefa ny tarehimarika fa nalaina nifidy Antananarivo ary raha hiainga eo ohatra ny fifidianana ben'ny tanàna sy solombavambahoaka dia azo eritreretina tsara mihitsy ny hoe hahatafiditra olona maro ny mpanohitra ary mety ho lasany ny toeran'ny ben'ny tanànan'ny renivohitra.
TSY FAHATOMOMBANANA
Fa na ny any amin'ny faritany koa aza dia nihena be ny vato azon-dRajoelina hany ka efa hanaovan'ny olona sangisangy hoe efa penalty, tsy misy goal ve dia mbola tsy mahafaty baolina tsara ihany. Manampy izany, tsy nisy herinandro nahavitan'ny fifidianana akory dia mipoitra ny fahasosorana avy amin'ireo ampahana vahoaka nampanantenaina valisoa raha mifidy an-dRajoelina, misy ireo milaza fa voafitaka sy natao tohatra fiakarana.Ka ny latsa-bato moa efa vita ka inona intsony. Ary na ny mpanara-maso ny fifidianana eto an-toerana sy avy any ivelany dia samy nahita fa latsaka ambany ilay tahan'ny fandraisan'anjaran'ny mpifidy, ary nisy ireo tsy fahatomombanana.
RATSY FAHALANIANA
Ireo rehetra ireo mitambatra no ahafahana milaza fa ity no filohan'ny repoblika ratsy vato indrindra hatramin'ny tantaran'ny fifidianana teto Madagasikara.Ny dikan'izany dia ho sahirana izy amin'ny fampiharana ny programanasany, mbola voatery hanao propagandy indray handresy lahatra indray ireo malagasy efa ho 65% tsy tonga nifidy.Ho sarotra ny fitantanana, tsy ho mora ny fanatanterahana ireo karazana tetikasa, hanorin-trano anaty honahona sy eo amina tontolo feno ahiahy tsy hihavanana izany. Sarotra ny hanatanterahana ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso, fa ny tena marina angamba dia ny hoe raha te handroso dia tsy maintsy miresaka aloha.
RTT
 

Dans la même rubrique

11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap
11-juin-2025

Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,

Card image cap
11-juin-2025

Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony

Card image cap