airtel

Politique

21-mai-2024

Andry Rajoelina

Mihevitra ny vahoakan’Ikongo ho bado…

Sample post image

Tsy misy tahotra sy henatra intsony ny propagandy an-karihary ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

21-mai-2024

Nandritra ny diany tany Ikongo ny faramparan’ny herinandro teo, ny tenany mivantana mihitsy no mangataka an-kolaka fa ny fifidianana ny kandida depiote IRD amin’ny 29 mey no angatahany hatao fanomezana ho an’ny tsingerin-taonany izay ny ampitson’ny fifidianana. « Mila fampandrosoana isika !Amboarintsika ny làlana, hiaraka handrososo isika ! Izao ary no teneniko anareo 29 mey ilay fifidianana ary 30 mey ny tsingerin-taona naharerahako. Noho izany dia izao, rehefa any Antananarivo aho te haheno vaovao mahafinaritra be hoe : efa mamaly fitia ny vahoakan’Ikongo, te handroso ny vahoakan’Ikongo, ity ny « Cadeau d’Anniversaire-nao » Mr le Président ! », hoy i Andry Rajoelina. Nandritra io, nandeha ny fizarazarana zavatra toy ny jiro, lambahoany, ka nilazana fa tsy tonga tamin’ny tanam-polo fa nivatsy fanomezana ho mariky ny fitiavana sy ny fihavanana. Miharihary tahaka ny natao tany Ambatofinandrahana fa ny hanao izay handresena sy tsy hahalany ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa no tena tanjona. Ny fiadian’ity farany ny tombotsoan’Ikongo sy ny distrika maro no nanenjehana azy raha nilaza fa ny làlana manerana ny distrika tapitra potika, ary anisany ny azy, ka ireo no tokony ho laharam-pahamehana noho ny teleferika hitrosana vola tsy toko tsy forohana amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy. Betsaka ny tsikera niantsoany ny mpanatanteraka hiasa fa fanenjehana no setriny. Raha miverina amin’ny tantara, tao Ikongo no nisy ilay fitifirana vahoaka nahafaty olona 30 mahery fa vitavita ho azy, tao no nisy ilay vary nozaraina tamin’ny madco sy nafatra tamin’ny sotro, distrika ambony indrindra ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo, nisy hatramin’ny hoe : nivaro-janaka,… Tena niasa ho an’Ikongo ve ny Fanjakana sa ny nanarontsarona an’ireny no tena dia izao tonga ny fifidianana dia mandeha ny blablabla… Ny Filoham-pirenena mihitsy no miditra an-tsehatra manao izao fampanantenana izao fa hatao ny làlana ary hanao fampandrosoana, mba hanjonoana ny vahoakan’Ikongo hifidy kandidam-panjakana. Tsy resaka fiandaniana fa mieritreritra ve i Andry Rajoelina sy ny kandidam-panjakana fa hatakalon’ny olona ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa ? Dia ho hita eo ny vokatra, fa raha ny sary mivoaka sy ny feo mandeha dia hatao izay fomba rehetra tsy hahalany an’i Brunelle Razafitsiandraofa ao Ikongo sy Rtoa Christine Razanamahasoa any Ambatofinandrahana. Na tiam-bahoaka aza dia mandeha ny resaka fa havadika sy hatsimbadika hatramin’ny voka-pifidianana. Any amin’ity distrika misy ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha ity izay efa avy nanaovana tahaka izao tany Ikongo izao, ary ny nisy radio nakatona mihitsy aza noho ny fandefasany ny Propagandin-dRtoa Christine Razanamahasoa izay atahorana mafy. Andaniny, mangina sy manapi-maso ny HCC sy ny CENI na voararan’ny lalàna fehizoro 2018-008 msikasika ny fifidianana sy fitsapankevi-bahoaka, ary azo hampiatoana ny Filoha amin’ny asany mihitsy aza araka ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana. Miandry afo amin’ny maty araka ilay fomba fiteny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap