airtel

Politique

03-déc-2024

Ankaditoho, Tsimbazaza, Anosibe

Vonona amin’ny fanovana

Sample post image

Teny amin’ny boriboritany faha 4 dia Ankaditoho, Tsimbazaza, Anosibe androany alatsinainy 2 desambra 2024 ny kandida Tahina Razafinjoelina.

03-déc-2024

Hita teny an-toerana fa tena miha maro ireo olona naharay ny hafatra nentiny ary miha resy lahatra aminy. Fanovana ny fomba fisainana, fanovana ny fomba fanaovana politika no entin’ity kandidan’ny Tia Tanindrazana ity mba ho tena politika mampandroso tokoa no atao eto fa tsy politikan’ny fitadiavan-tseza fotsiny. Nanambara imasom-bahoaka i Tahina androany fa 24 taona no efa tao amin’ny politika izy. Manampy ny politika aho, hoy izy fa kosa tsy mivelona amin’ny politika. Nisy ireo noheverina fa hitondra ny fanovana notohanana tamin’izany fotoana izany saingy nampiahiahy . Tonga kosa ankehitriny ny fotoana ijoroana sy handraisana andraikitra ka dia izao isika tafahaona izao, hoy i Tahina Razafinjoelina. Tena tsy azo ekena hoy izy ny hoe ny olona alefa hitolona sy hitaky ny fahamarinana, hay ary ambadika ary ry zareo mpifaninanana efa mifandray tanana sy mifamihinaTena teo no nampisaraka ny lalana hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Tia Tanindrazana. Mila mino sy miezaka ny tsirairay raha te ho tafita, hoy izy.Nanamafy hatrany izy fa asa, fahafahana mitsabo ny zanaka, fahadiovana no ilaina sy maika amin’izao fotoana fa tsy fetifety sy fampisehoana izany.Isika miasa, ny zanantsika salama no zavadehibe fa tsy resaka fampisehoana ka andao isika hiroso ho an’ny tena fanovana hoy ny kandida laharana faharoa Tahina Razafinjoelina.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap
04-juin-2025

Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,

Card image cap
03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap