ankoatra ireo fokontany maro nolalovana ao amin'ny distrikan'Ankazobe no voatsidiky ny kandida Honty Razafitrimo , tao anatin'iny herinandro voalohan'ny fampielezan-kevitra iny. Fambombiazana tanteraka, ny fahitana azy ary azo antoka ny hibatany ny fandresena. Kandida mahay mihaino, tia manampy olona, mahay ny marary ny distrika i Honty. Tsy nandeha tanam-polonizy sy ny ekipany fa niezaka nanampy ny mponina tamin'izay kely vita aloha ka nisy ny fanomezana jiro hanazava ny tanàna, ny fanomezana fiofanana fambolena vary an-tanety hoban'ny tantsaha. Olom-baovao tanteraka i Honty, vonona hitondra ny fahaizana amam-pahalalany amin'ny fampandrosoana an'Ankazobe ary tombony ho azy ny Reniny izay efa depiote an'Ankazobe, ary anisan'ny nahavita be indrindra raha ampitahaina izay nandimby azy teo. Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo niaraka tamin'ireo mpanohana moa ny asa ny sabotsy lasa teo.
Nangonin'i RTT
Raha nilaza ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny
Mila ezaka amin’ny fangaraharahana sy fanaporofoana ny fanovàna…