airtel

Politique

18-avril-2024

Annick Ratsiraka

“Mitohy ny tsy fanajana ny lalàna eto”

Sample post image

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

18-avril-2024

solombavambahoaka nohon’ny antony tsy mazava hatramin’izao. Efa samy nahafeno ny antotan-taratasy izay notakian’ny lalàna taminy avoko izy ireo saingy nahintsana avy hatrany. Nambaran’ny Sekretera nasionalin’ny antoko AREMA Ramatoa Annick Zoary Ratsiraka, izay isan’ireo nahafeno ny taratasy filatsahana tao amin’ny Distrikan’i Mahanoro saingy voahilika, fa mbola misy ny tsy fanajana ny lalàna eto na dia ventesina foana aza ny tokony hanajana ireo lalàna velona eto amintsika. Raha voalazan’ny lalàna hoy izy dia manana 48 na 72 ora aorian’ny fahataperan’ny fotoana fandraisana ny antotan-taratasy eny amin’ny OVEC ireo kandida hanaovana fitarainana eny amin’ny Fitsarana avo momban’ny lalampanorenana na HCC. Efa nisy araka ny volaza ny fangatahana amin’ny tokony hanitarana ny fe-potoana ahafahana manatitra ny antotan-taratasy eny amin’ny OVEC nohon’ny fandalovan’ny rivo-doza tamina Distrika maro ka mety hahatara ny famenoana ireo taratasy ilaina ho an’ny kandida sasany izany. Mitombina tanteraka io fangatahana io, hoy Ramatoa Annick Zoary Ratsiraka saingy tsy noraisina. Ny faha 10 aprily tolakandro dia tonga teny amin’ny « Paierie Générale» teny Antanimena ny Sekretera jeneraly lefitra ao amin’ny antoko AREMA mba handoa miaraka ny anto-bola na «caution» an’ireo kandida 25 ireo kanefa tsy noraisina intsony izany, kanefa dia nisy kandida hafa nandoa ny azy koa tamin’io andro io ary noraisina. Efa misy ny firaketana an-tsoratara nataon’ny antoko miaraka amin’ny vaditany mahakasika ity raharaha ity ary efa misy ny fitarainana natao eny anivoan’ny CENI sy ny HCC. Na izany aza anefa dia mbola misy kandida AREMA efatra handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny Alarobia 29 may 2024 dia ao amin’ny Boriboritany faha 6, Antananarivo Renivohitra, any amin’ny Distrikan’i Miandrivazo, Toliary I ary Vangaindrano. Ny minisitry ny harena ankibon’ny tany teo aloha, Brice Elisa Andrianasolo no kandidan’ny antoko AREMA ao amin’ny Boriboritany faha 6. Tonga nanotrona azy teny amin’ny OVEC Ambohimanarina nandritra ny atsapaka namaritana ny laharan’ny kandida ao anin’ny bileta tokana, Ramatoa Annick Zoary Ratsiraka sy Pr Ange Andrianarisoa.
Jean D.
Kandida Brice Andrianasolo notronin-dRamatoa Annick Ratsiraka sy Pr Ange Andrianarisoa.
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap