mpamokatra eny ifotony mba hamboly hatrany ny antoko Fanorolahy tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia tena efa miraviravy tanana tanteraka ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika ankehitriny vokatry ny fisian’ny tsy fandriampahalemana. Tapitra haripak’ireo dahalo avokoa ny vokatra miakatra sy ny biby fiompy izay efa nandaniana vola sy nimatimatesana an-taonany maro. Ny fakana an-keriny sy ny fanolanana ireo zaza amam-behivavy tsy lazaina intsony. Tsy kivy anefa ny antoko Fanorolahy fa miezaka ny manohana ara-tsaina sy manome fiofanana ireo tantsaha eny ifotony mba hamboly hatrany ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : hamboly ka hamokatra isika. Toraka izany koa ny fanomezana fitaovana sy masomboly. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana vary isan’andro raha eo ihany koa ny fikatsahana ny soa iombonana dia ny fahavitantena ara-tsakafon’ny Malagasy izany. Tsiahivina moa fa tsy hiandrasan’ity antoko iray ity fanohanana ara-bola na fanampiana avy any an-kafa izany. Amin’izy ireo mantsy dia tsy tokony hiandrasana ny mpitondra irery ny fampandrosoana ny firenena fa hifanomezan-tanana mba hahazoana vokatra mahomby ao anatin’ny fotoana fohy.
Pati
Legende : Ny filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy Randrianary Jose sy ireo mpiara-miasa aminy !
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,
Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,
Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,
Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.