rehefa mijery ny fivoaran’ny zava-misy isika. Vao tsy ela, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no nanao fanambarana koa ny vondrona iraisampirenena izay ahitana firenen-dehibe isan’ny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara fa noho ny fahitan-drizareo fa misy ireo fepetra vitsivitsy tsy mbola tsy voahaja hatreto ka mahatonga azy ireo miahiahy. Efa tonga hatrany amin’ny fanairana ny fitondram-panjakana mahakasika ny hoavin’ity fifidianana solombavambahoaka ity. Nanaradia an’ireto vondrona iraisampirenena ireto izany ny FFKM noho ny fahatsapany koa fa misy ireo fandikan-dalàna maro samihafa nialohan’ny fampielezankevitra sy nandritry ny fampielezankevitra. Ahiana ny hisian’ny tsy filaminana aorian’ny fifidianana. Manamarina izany ny fanadihadiana mpampaneno lakolosy na «influenceur» iray rehefa namoaka ny programan’ny fitsidiham-paritry ny filoham-pirenena mandra-pifaran’ny fampielezan-kevitra. Matoa tonga tany amin’io «influenceur» io ny fandaharam-potoanan’ny filoham-pirenena dia, mazava ho azy, tsy maintsy nisy olona avy ao amin’ny fitondrana ihany, namoaka ilay vaovao. Amin’ny maha «influenceur» azy, mpanao gazety koa izy, raha tsy diso aho, dia adidiny ny manome vaovao ho an’ny malagasy. Tsy tany miady akory eto. Mbola milamina. Tsy hitako loatra izay tena maha saropady ny famoahan’andriamatoa Patrick Raharimanana iny fandaharam-potoana iny. Efa niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ary efa nisy filazàna rahateo koa fa hisy fitokanana ho ataon’ny fitondram-panjakana any Toamasina ny 25 may izao. Mbola tsy namoaka ireny fandaharam-potoana ireny akory i Patrick Raharimanana dia efa fantatra tsikelikely hoe tahaka izao no fandaharam-potoana. Midika izany fa ahiana hisy ambadika politika anatin’ity raharaha ity. Miantso fitoniana hatrany moa ny tena amin’ny maha mpanao politika na ho an’ny antoko politika mpanohitra io na mpanohana fitondrana manoloana ny maripana politika ankehitriny. Ny antoko Fiombonana dia mikatsaka hatrany ny ahitana fikambanana ao anaty fahasamihafana. Ny hevitra no mety samihafa fa iaraha-manana ny tanjona. Ahoana no ahafahantsika mampandroso an’i Madagasikara? Aoka mba hajanona ny fihantsiana sy antsojay politika satria izay ihany no ahafahana mahita fitoniana eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana!
J. Mirija
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy