Nanao fanambaràna ny antoko politika Fitambolagnela/IAD fa «ny foto-kevitra sy ny fijoroany dia miorina amin'ny fanarenana ny firenena». Ny fanarenana dia mitaky fahavononana hiova andraikitra iombonana, fahintsiana, fifampitokisana, hoy ny filohan'ny antoko, Michel Razafindrandriatsimaniry. Tsy azo atao ny manangana ny hoavy vaovao raha tsy manaiky manintsy izay tsy mandeha, manavao izay efa lany andro, mampifandray ny fanjakàna sy ny olompirenena, hoy ny antoko. Ny Fitambolagnela/IAD dia miantso, noho izany, ny hirosoana amin'ny dinika madio, marina, tomponandraikitra, izay mametraka ny tombotsoam-pirenena ho ambonin’ny tombontsoan’olona na vondrona. Ny fahasamihafàna dia tsy tokony ho sakana fa tokony ho hery hanorenana firaisankina nasionaly. Ilaina ny fanavaozana ny rafitra, ny fomba fitantànana, ny toetsaina mba hamerenana amin'ny laoniny ny fahombiazan’ny fanjakàna sy ny fitokisan’ny vahoaka. Ny fanarenana dia tsy maintsy mitondra vokatra mivaingana eo amin'ny fiainan’ny malagasy, asa, famokarana, fanabeazana, fahasalamàna, fotodrafitrasa, fahafahana ara-toekarena. Ny tanjona dia ny fananganana an’i Madagasikara miroborobo, manana fiandrianam-pirenena, miray hina, mifampitsinjo, maharitra, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija