airtel

Politique

23-mai-2025

Antoko politika FLN

«Tsy mifanaraka amin'ny fiainam-

Sample post image

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

23-mai-2025

Fantantsika tsara fa an’ny maro an’isa dia ny fitondràna ny antenimieram-pirenena eto Madagasikara, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération national. Izy, hoy ny filohan’ny antoko, Iada Jean Pierre, no manao izay tiany atao ao rehetra. Marina fa maro ireo voalaza fa tsy fanarahan-dalàna atao etsy sy eroa, hoy izy, ary isany koa ny tsy fanarahana ny fitsipika anatiny ao amin’ny antenimieram-pirenena izay an-drizareo ihany. Ireo minisitra nampanantsoin’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena tsy hoe tsy tonga fotsiny fa ny filohan’ny antenimieram-pirenena mihitsy no nanafoana ny fihaonana taminy. Ny filohan’ny antenimieram-pirenena dia avy amin’ny IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Ireo minisitra rehetra ireo dia napetrak’andriamatoa Andry Nirina Rajoelina. Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta koa azy. IRMAR no politika entin’ireo fikambanana rehetra ireo. Izy samy izy ihany izany no mifampiresaka. Raha ny tena marina dia tsy tokony hisisika hiantso ilay minisitra ny mpanohitra satria efa iarahantsika mahita amin’ny fiainana an-davan’andro eo ilay tsy fahombiazana rehetra. Tsara aza hoe tsy tonga ilay minisitra satria raha misy resaka anatin’ny adin’ny roa dia ho valian’ireo minisitra ireo anatin’ny teny iray minitra amin’ny hoe «efa am-panaovana an’izany izahay!», «Efa eo am-pikarakarana izany izahay!», «Efa mandinika lalina momba an’io izahay!», «Efa misy fanapahan-kevitra lalina iarahanay miresaka amin’ny filoham-pirenena momba an’io!». Lasa ohatran’izany fotsiny no valiny ankoatran’ny hoe «Efa nisy fandinihina ara-tsiantifika nandeha tamin’io!», «Aleo samy manao ny asany ny siantifika !», «Aleo manao ny asany ny mpanao politika!». Ho valy boraingina fotsiny ohatran’izany no ho averiny eo raha teo izy. Tsy tokony nampiantso ireo minisitra ireo akory ny mpanohitra satria raha ohatra ny mpanohitra mihevitra fa misy tsy mety ny asan’ny minisitra dia tsy tokony ho ny minisitra no jereny fa praiminisitra. Ny praiminisitra nefa matoa tazonin’ny filoham-pirenena dia mahavita ny asany, araka ny tokony ho izy. Ny asa ampanaovin’ny filoham-pirenena ny governemanta dia vitan’ny governemanta an-tsakany sy an-davany matoa ny filoham-pirenena tsy manala ny praiminisitra sy minisitra. Ny politika apetrak’andriamatoa Andry Rajoelina izany dia vitan’ny governemanta araka ny tokony ho izy. Izay no hitsaràny ny minisitra na governemanta. Tsy nanana fifanarahana tamin’ny vahoaka na ny governemanta na ny minisitra fa tamin’andriamatoa Andry Rajoelina. Ny tsy fetezan-javatra apetraky ny filoham-pirenena mihitsy no tsy fetezan-javatra amin’izao. Ny rehetra hatramin’ny mpanohitra nefa no mahita fa tsy mifanaraka amin’ny fiainam-pirenena intsony ny zava-bitan’ny governemanta sy ny minisitra kanefa mety amin’ny filoham-pirenena izany. Mampametra-panontaniana ny politika ampiasain’ny filoham-pirenena satria tsy ahitàn’ny vahoaka tombontsoa ny politika ampiharin’ilay filoham-pirenena. Lasa toerana hanaovana vava be fotsiny ny antsika ny antenimieram-pirenena. Vitsy an’isa ao ny mpanohitra ary ny avy amin’ny fitondràna tsy manao afa-tsy izay manatanteraka ny politika ankapobeny soritan’ingahy Andry Rajoelina satria raha vao tsy manao an’izay dia manaraka ny dian’i Christine Razanamahasoa. Voahala amin’io toerany io. Tsy misy fotony ny adihevitra rehetra apetraka ao amin’ny antenimieram-pirenena raha resaka demokrasia. Ny hevitr’i Andry Rajoelina ihany no afaka mandeha ao amin’ny antenimieram-pirenena. Adihevitra sarin’ady, resadresaka fotsiny sisa no ankoatran’izay, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap