Naneho ny fiaraha-mioriny tamin’ireo fianakaviana maty havana noho ny tsy fandriampahalemana sy rava fananana vokatr’ireo fahamaizana toerana samihafa teto amin’ny firenena tato ho ato ny antoko politika Maeva. Ireny toe-javatra ireny, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana, ao amin’ny tontolo politika dia tsy nisaraka mihitsy teto Madagasikara. Antony nilazàn’ny antoko foana izany, hoy izy, hoe aoka izay ny politika politisianina manimba firenena! Inoana fa mandray andraikitra ny fitondràm-panjakàna amin’ny fanadihadiana ifotony ahitàna ny marina, raha tena fanavaozana no ilaina. Mafy izany hoe migadra, rava fanànana, kamboty tsy fidiny, mitondra takaitra, manao sesitany ny tenany. Vokatry ny fanaovana politika politisianina avokoa izany. Isaorana ny fitondràna ny zava-misy eo amin’ny lafiny sosialy satria efa mba midina aloha ny vidim-bary. Manao ahoana koa nefa ny fiantraikan’io any amin’ny mpamboly? Amintsika miteny izao, manomboka miakatra indray ilay izy. Mbola tsy mivaha ny olan’ny herinaratra sy rano nahatonga ny fianjeràn’ny fitondràna teo aloha. Efa nambara fa tsy hahavaha olana 100% izao fitondràna izao. Tokony hapetraka tsara ny planina mandritry ny fotoam-pitondràny hoe hatreto no vitany! Tsy maintsy misy dinika politika eto raha tiana ny hamoaka an’ity Madagasikara ity vao miditra fikaonandoha, referandaoma, fifidianana samihafa sy ny hafa maro tsy voatanisa. Mpanao politika ihany no tsy maintsy miresaka vahaolana politika. Ny resaka toekarena, tsy ahitàna taratra mihitsy ny fiaingàna ara-toekarena na «relance économique» aloha hatreto. Ankaherezina sy hampitsangànina ny vahoaka malagasy ankehitriny mba ho tena tomponandraikitra tsy ho lalaovina ara-politika intsony na ho viravirain’ny mpanao politika. Ny fijoroan’ny malagasy amin’ny marina sy fahatahorana an’Andriamanitra no hampiova zavatra eto. Ny devoly sy satana ary ny forongony rehetra no faly amin’ny fahavoazantsika. Asakasantsika raha mbola handrimandry manana aretina eto fa tsy hijoro ho tomponandraikitra, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija