hoy ny antoko politika MFM. Miteraka kolikoly izany, hoy ny filohan’ity antoko ity, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy. Ny fitondram-panjakana mijoro eo dia miandraikitra ny fanatanterahana fifidianana rehetra, hoy izy. Raha resa-bolana no hampanjakantsika amin’ny resa-pifidianana dia aza gaga isika raha mihemotra foana ity firenena ity! Tsy maintsy mitady izay hamerenana ny volany tsinona ny olona tonga eo amin’ny fitantanana. Niakatra be izany io ny anto-bola ho an’ireo te hilatsaka ben’ny tanàna amin’ny renivohitra voasokajy ho rafitra manokana na «hors catégorie» toa an’Antananarivo. Tamin’ny 4 taona lasa 12 tapitrisa Ariary. Izao lasa 20 tapitrisa be izao. Aty amin’ny sokajy ambanimbany toa anay aty amin’ny kaominin’Ambavahaditokana, izay manana mpanolontsaina miisa 7, no kely ny fiakarana. Iny izany mba hahafahany aty ifotony mandray anjara amin’ny fifaninanana atao. Raha io vola io foana no hampanjakàna eto dia tsy hiteraka fampandrosoana mihitsy. Mpanolontsaina kaominaly am-perin’asa izao ny tena. Mba hahafahana manohy ny asa sy ezaka natao teto amin’ny kaominina, nisy ny fivoarana sy zavatra natao fa tsy ampy, dia manana olona izahay amin’ity dia i ramatoa Lolitah Rasoarimanana. Izy no heverinay fa manana tetikasa fampandrosoana ary te handeha malakilaky amin’ny fampandrosoana eto Ambavahaditokana. Izay izany izao no iarahanay anatina vondrona iray antsoina hoe «Ambavahaditokana tsy mialon-jafy» izay ahitana fikambanana, vovonana politika, antoko politika maro dia ny VHL, FTT, MFM, ALDR, FIBEMI na Fikambanan’ny betsileo miray satria fantatsika fa efa misandrahaka izao ny mponina manerana an’i Madagasikara ary misy ireo mila ravinahitra, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo