no mandalo fotoan-tsarotra amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Repoblikanina, Dr Hasina Raveloson. Indrindra moa ny fampianarana ambony, hoy izy. Miverina amina petrakolana na «problematique» fototra foana nefa izany. Ny fivoarana ara-tsosialy sy toekarena an’i Madagasikara no anton’izany. 15 taona teo izay ny filoha Andry Rajoelina no teo amin’ny fitondràna. Manao ahoana ny toerana omen’ny fitondràna izany fampianarana eto amin’ny firenena izany izao? Toy izany koa ny eny amin’ny anjerimanontolo. Izy ihany no mametraka ny olana. Rehefa tsy mandroso ny sosialy sy toekarena dia tsy afaka andeha mihitsy ny fampianarana. Sehatra farany ilàna tetibolam-panjakàna matevina ny fampianarana. Mikasika ny nosy malagasy izao dia tena mahagaga satria vao tamin’ny alatsinainy ny minisitry ny raharaham-bahiny no nilaza fa famerenana ireo nosy ireo no takiana. Andro vitsivitsy aty aoriana, mihemotra sahady ny fitondràna. Amin’ny lafiny iray, tsy mahagaga izany, satria efa fanaon’io fitondràna io izany. Ny atao hoe fiaraha-mitantana dia fanomezana ny ampahany amin’ny tanin’ny malagasy ho an’ny frantsay. Ny fiandrianan’i Madagasikara izany no omena ny frantsay. Ny zom-pirenen’andriamatoa Andry Rajoelina no fototry ny olana. Ny maha olompirenena frantsay azy aloha no hitan’i Emmanuel Macron. Faharoa vao hoe filoham-pirenena. Lojika be raha tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitakiana ireo nosy manodidina. Tsy hoe tsy misy antenaina ny hahazoana ireo nosy ireo. Azon’ny maorisianina tamin’i Grande Bretagne izao ireo nosy Chagos. Tsy nisy basy na tafondro. Diplaomasia no nampiasaina. Fahavononana politika no tsy ampy. Ahoana tany Burkina Faso, Mali, Niger, Tchad, Senegal. Voakisaka tany ny frantsay. Tsy nisy basy napoaka tany na tafondro fa fahavononana politikan’ny mpitondrany. Tena manana fahavononana politika ve ny mpitondra amin’izao, manana finiavana ve, manana zotra akana ireo nosy manodidina ve? Tena ilaintsika ireo nosy manodidina satria solitany sy entona no misy ao ambanin’ireo ranomasina manodidina azy ireo. Mozambika amin’izao fotoana izao efa manao fitrandrahana solitany an-dranomasina na «offshore» ao amin’ireo ranomasina misy ireo nosy manodidina dia Bassas Da India, Europa, Juan de Nova. Tsy mifanalavitra ny morontsirak’i Mozambika ireo nosy ireo. Inona no fepetra raisin’ny fitondràna malagasy manoloana ny famingavingana nataon’ny frantsay ho an’i Madagasikara toy ny hoe tsy maika ho an’ny malagasy, ohatra, ny famerenana ireo nosy ireo fa ny fahantran’ny 80%n’ny malagasy no tokony ho vaindohan-draharaha? Raha ny fitakiana ireo nosy manodidina no ambara dia tsy misy antenaina io rehefa mbola frantsay i Andry Rajoelina! Raha ny voarakitra tao anatin’ilay arofeni-pifanarahana na «protocole d’accord» momba ireo nosy ireo izao dia tokony ho isaky ny 2 taona no mivory. Tamin’ny 2019 nefa no fivoriana farany. Maninona no 6 taona aty aoriana indray vao misy no sady tonga dia ny frantsay no mametraka hoe fiaraha-mitantana no ifampidinihina ary mankaty Paris ianareo? Ny frantsay indray no mampiantso. Tsy asian’ny fitondràm-panjakàna ankehitriny lanja ny fiandrianam-pirenena malagasy, hoy hatrany ny antoko politika Repoblikanina.
J. Mirija
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy