airtel

Politique

30-mai-2025

Antoko politika Teza

«Tsy azo atao maharitra intsony io fitondràna io»

Sample post image

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

30-mai-2025

hoy ny antoko politika Teza. Tsy afaka hampandroso an’i Madagasikara, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa, fa natao hiaro ny tombontsoan’ny vahiny, indrindra, tombontsoan’ny tandrefana, tombontsoan’ny frantsay. Mifanohitra amin’ny tombontsoa malagasy izany, hoy izy. Izahay Teza manokana dia mametraka ny hoe tokony hanao fanorenana ilay firenentsika isika ka ireto no atao mandritry ny fotoana voafetra. Voalohany indrindra ny fanarenana ara-toekarena haingana. Faharoa, manao fanadiovana ny fiainam-pirenena. Betsaka ny mpangalatra eto. Betsaka ny mpanao zavatra tsy mety eto amin’ity firenena ity. Ilaina tsaraina amin’ny fomba mendrika ireny. Fahatelo, mametraka filaminana manerana an’i Madagasikara. Fahaefatra, manao ny fanorenana ny firenena amin’ny alalan’ireo fototra demokratika dia ny lalàmpanorenana, lalàna mifehy ny antoko, sata mifehy ny fifandraisana sy ny mifanaraka amin’izany rehetra no iarahana mijery sy hifanarahana avy eo. Ao anatin’izay dia mila miala haingana ingahy Rajoelina fa tsy mahavita fa vao mainka mandetika ny firenena. Any Afrika izao dakadakan’ny olona ny frantsay satria manao lohana mpanjanaka na «colon». Any Niger, Mali, Burkina Faso, Sénégal, Tchad, Centrafrique sy ny rehetra izao efa dakadakan’ny olona ny frantsay fa aty amintsika izy, noho ny saribakoliny na babakotom-bazahany eto, dia aty izy no mamikitra. Tsy azo atao maharitra intsony io fitondràna io fa tsy maintsy raisintsika vahoaka an-tanana hahafahantsika mametraka ireo zavatra miisa 4 teo ireo haingana, hoy hatrany ny antoko politika Teza!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap
04-juin-2025

Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,

Card image cap
03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap