airtel

Politique

20-mars-2024

Banky ropitra ny Fanjakana?

Mpandraharaha an-jatony lasibatra tsy aloa volany…

Sample post image

Velon-taraina ireo mpandraharaha na « entrepreneurs »

20-mars-2024

sy mpamatsy ara-pitaovana ny Fanjakana na «fournisseurs » amin’izao izay an-jatony maro amin’izao fotoana izao noho ny tsy fandoavana ny volan’izy ireo. Tsy fantatra mazava ny tena antony, ary vao 1 volana teo izao no misy famoahana, saingy ireo latsaky ny 10 tapitrisa Ar, izay tsy fantatra mazava akory ihany koa aza ny mason-tsivana, hoy izy ireo. « Efa tao anatin’ny 30 taona aho no nanao tsenam-panjakana fa tsy mbola nisy tahaka izao. Ity Fanjakana ity mihitsy no mampijaly. Ny nalaza sy nisongadina dia ny nanjo ireo nanao asa tamin’ny FER (Fonds d’Entretien Routier), fa ireo nanana raharaha tamin’ny Fanjakana rehetra dia saika tsy misy mahazo ny volany ankoatra ny hopitalin’ny deba satria iny « prise en charge » an’ny Fanjakana ka na inona na inona miseho eo dia hafainganina, ary tsy vola kely fa ohatra hoe : 4 miliara Ar kanefa ny volanao kely lavitra noho izany tsy aloa. Saika isan-kerinandro no mety misy tahaka io, ary 4 miliara Ar izany anefa mahaloa volana « fournisseurs » maro », hoy ny mpandraharaha iray. Efa be dia be ny maty sy tapaka lalan-dra noho ny fampijalian’ny Fanjakana amin’ny tsy fandoavam-bola. Reraka sy vizana tanteraka ireo « entrepreneurs » sy « fournisseurs » maro be, saingy tsy sahy mihetsika mpandraharaha noho ny antsojay, hoy ny fanamarihana. Ny mpiasa eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana mitsotra amin’ireo mpandraharaha kosa, dia tena milaza am-pahatsorana hoe : « tsy avy aminay, fa tena tsy misy vola ny Fanjakana. Ny fahazoako azy, ny vola mihitsy no tsy misy, ary mety misy karazana baiko avy any ambony hoe : tsy misy zavatra mahazo mandeha ny fandoavana ny volan’ireo mpandraharaha », hoy hatrany ny mpamatsy fitaovana ny fanjakana iray. «Tena mamono anay, ary mamono olona ilay zava-misy. Ho ahy manokana izao efa 30 taona teo no naha « fournisseurs » ahy, fa mbola tsy niaina ohatr’izao aho, tena mafy, mahalasa adala. Efa betsaka no migadra satria ananan’olona tsotra noho ny fakana vola taman’olona, nindram-bola tamin’ny banky,… Lasa tsy atokisan’ireo orinasa lehibe toy ny hoe : Batimax, Ocean Trade,… izahay noho ny tsy fahaloavana vola. Noho ny tsy fandoavan’ny Fanjakana vola, dia lasa olana be ny resaka tsenam-panjakana satria ny banky dia betsaka no lasa tsy mahatoky intsony satria lasa sokajiana ho mpamitaka ny mpandraharaha », hoy hatrany ny fijoroana vavolombelona. Ny mpandraharaha no isan’ny manome aina ny toekarena kanefa izy ireo ankehitriny no toa vonoina mivantana amin’ny tsy fandoavana ny volany, ary tsy amin’ny sehatry ny asam-panjakana ihany fa efa nisy ihany koa ny antso vonjy toy ny nataon’ny orinasa afakaba noho tsy fandoavan’ny Fanjakana ny volan’izy ireo efa ho an-jatony miliara.
NISY AHIAHY MOMBA NY FITANTANANA VOLAM-PANJAKANA VITAVITA HO AZY ?
Mbola mampametra-panontanina ireo mpandraharaha sy mpamatsy fitaovana ny Fanjakana ihany koa anefa ny raharaha voalaza fa nisiana fanodinkodinana volabe teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana nahavoatonontonona Tale Jeneraly iray teo aloha. Vao tonga teo ny Minisitry ny toekarena sy ny vola ankehitriny Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, dia isan’ny noresahany ny fisiana ahiahina kolikoly avo lenta sy fitantanana amin’ny fomba tsy mangarahara ny volam-panjakana. Fotoana fohy taorian’izay, dia nesorina ny Tale Jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana ny 18 aogositra 2021. Io no fanapahan-kevitra voalohany noraisin’ny Minisitry ny toekerana sy ny vola vao tonga teo amin’ny toerany tamin’izany fotoana. Fa maninona no tsy nisy tohiny fa nijanona teo amin’ny fanesorana tamin’ny toerany kanefa tena fambotriana firenena ? hoy ireo mpandraharaha, izay nanamarika fa ny endri-pitantana tsy mahomby tahaka izany ihany koa no mety miantraika any amin’izy ireo. Io tompon’andraikitra ambony io izay misy ihany koa ireo mpandraharaha milaza ho lasibatra mivantana na ankolaka tamin’ny fomba fiasa sy fitantanany.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap