airtel

Politique

24-sept-2026

Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville

« Betsaka ny zava-bitako,»

Sample post image

tsy mahatarika vahoaka ireo te hanala !

24-sept-2026

Anisan’ny kaominina 10 mahavita betsaka indrindra eto Madagasikara i Nosy Be na fotodrafitrasa na fiarahana amin’ny mponina, raha ny nambaran’ny ben’ny tanàna, Aly Aboudou. Manana sata manokana, misy boriborintany miisa 6 izay samy nanaovana fotodrafitrasa daholo, raha ny nambaran’ny ben’ny tanàna. Mbola misy tany saro-dalàna, ka imasoana. Nambarany fa misy fiaraha-miasa maro, toy ny lafiny fampianarana izay nahavitana fotodrafitrasam-pampianarana 21 amin’ny fokontany 11, fanavaozana sekoly,… Misy kianja basikety 6 namboarina ho an’ny tanora, fanamboarana lalàna biéton 2 toy ny làlana makany Amboanara. Mikasika ny rano izay isan’ny manahirana sy niteraka korontana teto Madagasikara, dia tsy miraviravy tanana ny kaominina, izay isaorana ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina nanome ny « cadre forage » miisa 4 ho an’i Nosy Be indrindra fa i Hell Ville, hoy ny ben’ny tanàna. Ny renivohitra no tena misy olana sy kely no tonga, fa ny manodidina tsy dia maninona. Efa vita ny fandavahana, fa miandry ny « installation » sy ny paompy sisa. Ankoatra ireo, tsy maintsy mitady mpiara-miombon’antoka, fa efa misy ny tetikasa PAEP (Projet de l’Amélioration de l’Accès en Eau Potable). Nisy orinasa nanampy amin’ny famatsiana ny hopitaly sy ny sampan-draharahan’ny vola. Ho an’ny herinaratra kosa dia efa tsy misy delestazy satria misy famokarana amin’ny herin’ny masoandro famokarana avy amin’ny Fanjakana, misy fandraharahana ataon’ny tsy miankina, Mikasika ny olana ara-tany, milaza ity ben’ny tanàna ity fa ny tany ao Madiro dia tanin’ny Sirama, fa izy no nampilaza ny olona tsy hanao trano eo satria misy tetikasam-panjakana hanaovana famokarana angovo amin’ny herin’ny masoandro, ka iny no tsy tian’ireo « squatteurs », saingy tsy maintsy mandray andraikitra amin’ny tetikasa ho an’ny tombotsoam-bahoaka, ka mihaino izy ireo tsara, tsy mihaino izy dia izy no mizaka ny vokany satria nisy ohatra ireo raha ny nambarany. Mikasika an’i Sakatia indray dia eo amin’ny 30 ha, dia misy 11ha no natokana ho tahiry ara-boajanahary tantanin’ny Minisiteran’ny fizahantanyn, tsy misy hidiran’ny kaominina . 2ha no azon’ny kaominina hajariana, eo amin’ny 1000m ihany no azon’ny kaominina hanomezana alalana amin’ny fanajariana, fa ny mihoatra an’izany dia any amin’ny Minisiteran’ny fizahan-tany,... Milaza ity ben’ny tanàna ity, fa olana politika ny fanenjehana azy, tondroiny ho manao sakana politika ireo kandida tsy lany izay mivondrona, hanao izay tsy hahavitany taom-piasana. Milaza fa matoky tena ny tenany… Nambaran’ny ben’ny tanàna Aly Aboudou fa tsy mahazaka olona ireo manao fitakiana ny hialany sy mitaky fametrahana PDS.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-sept-2026

Tsy tongatonga ho azy ny nahatafiditra

Card image cap
23-sept-2026

no hanamarihana ny fahafahana tamin'ny geja

Card image cap
23-sept-2026

tsy iasana ny 25 septambra

Card image cap